Politique

Hery Rajaonarimampianina Matahotra mafy ny higadra


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Tapa-bolana mahery kely izay dia tsy latsaky ny 2 isan’andro ny isan’ireo fitakiana ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina.

 

Antoko politika, vondrona, fikambanana sy izay afaka nanao fanambarana nitakiana izany rehetra dia samy nanatontosa ny azy avokoa. Raha hampitahaina tamin’ny tolom-bahoaka nisy hatramin’izay dia ity indray mitoraka notarihin-dry zareo depioten’ny fanovana tetsy amin’ny kianja 13 mey Analakely ity no nihazakazaka indrindra satria 1 andro taorian’ny fiatombohan’ny tolona dia efa nanao fanambarana ny mpitandro ny filaminana fa tsy hampiasaina ho hery famoretana intsony. Nanomboka niparitaka manerana ny faritra teo ny hetsika ary tody tany amin’ny faritany 6 nanomboka tamin’ny sabotsy. Hatreto anefa, tsy nametraka ny fialany ny filoha. Petra-kevitry ny mpamakafaka ho mety anton’ny fiziriziriny ny hoe matahotra ny higadra sy hohenjehin’ny mpandimby toy ny nahazo ireo filoha hafa teo aloha koa i Hery Rajaonarimampianina. Maro rahateo ireo dosie maloto mahakasika ireo manodidina azy izay mety hisy ny dian-tanany ihany koa. Nalaza tamin’ireny ny raharaha andramena tany Syngapour, ny raharaha Antsakabary, ny resaka tsenam-panjakana nisamborana ny mpanolotsainy teo aloha, Claudine Razaimamonjy sy nahavoatonontonona ny anaran’ny praiminisitra. Na ilay entana tsy nazavazava nivoaka tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina tamin’ny faran’ny herinandro teo aza dia miely koa ny feo fa ana mpanolotsain’ny filoha manokana ary antony nahatonga savorovoro teo amin’ireo mpiasan’ny ladoany sy ny mpitandro ny filaminana. Baben’ity filoha ity an-damosiny avokoa izany ka antony mety andraisany fanapahan-kevitra maro tsy mifanaraka amin’ny lohany intsony.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT