Mihazakazaka ny toe-draharaha taorian'ny nanapahan'ny solombavambahoaka maro an'isa eo anivon'ny Antenimieram-pirenena hanongana amin'ny toerany ny Filohan'ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina.
Fihaonana maika
Re izao fa hisy fihaonan'ny Repoblika amin'ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin'ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana. Maika ny fihaonana, araka ny loharanom-baovao. Mety ho anio na rahampitso. Na tsy nambara aza ny antony dia azo antoka fa hiresaka manodidina ny zava-nitranga teny amin'ny Antenimieram-pirenena iny ny roa tonta. Betsaka rahateo no mametra-panontaniana taorian'iny teny Tsimbazaza tamin'ny alin'ny talata 26 mey 2015 iny hoe : fa nahoana ny solombavambahoaka Tiako i Madagasikara no nanohana ny hanonganana ny filohan'ny Repoblika nefa vao ny 72 ora talohan'io, nandritra ny famaranana ny kongresy nasionaly fahatelon'ny antoko Atoa Marc Ravalomanana, filoha nasionalin'ny antoko, no nanindry mafy ny tokony hisian'ny fitoniana eto Madagasikara, antony iasany miaraka amin'ny fitondrana ?
Tetsy an-danin'izay, raha nanontanian'ny mpanao gazety ny fahasalaman'ny fifandraisany amin'Atoa Marc Ravalomanana ny filohan'ny Repoblika Hery Rajaonamampianina ny alarobia teo, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, dia nilaza fa "tsara raha anontaniana izy (Ravalomanana)". Hanana endrika fifanazavana, araka izany, ity fihaonana ity hisian'ny fifampitokisana na ny mifanohitra amin'izay eo amin'ny roa tonta. Hiditra an-tsehatra ve ny FFKM ? Voatonontonona sy voatsikera ho fototr'izao raharaha izao rahateo ny FFKM noho ilay andininy iray tao anatin'ny fehinkevitry ny mpizaika tamin'ny dinika nasionaly momba ny fampihavanam-pirenena natao teny Ivato tamin'ny fiandohan'ny volana aprily 2015, milaza ny tokony hanasiam-panamboarana ny andrimpanjakana.
Jean D
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.