Politique

Hery Rajaonarimampianina Manao pi-maso amin’ny FJKM


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Nanatrika ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny Fjkm Tranovato Fitiavana Anjoma Toamasina omaly maraina ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny fianakaviany ary ireo mpiara-miasa akaiky aminy

 

. Nilaza ny filoha fa mila hampanjakaina eto amin’ny firenena ny fahendrena sy ny fifanajana ary ny filaminana, mba tena hiteraka fampandrosoana ho an’ny Malagasy sy ny tanindrazana. Tokony ho lohalaharana amin’izany ny mpino sy ny kristianina. Izay no nangatahan’ny filoha amin’ny mpino sy ny kristianina ny hitondra am-bavaka ny firenena mba tena hiainga amin’ny fiangonana ny hametraka olom-pirenena vanona sy tena tia tanindrazana marina. Nanolotra  vola 20 tapitrisa ariary ho fanampiana ny Fjkm  “Tranovato Fitiavana” izy nandritra izany. Ho an’ny maro dia tsy tongatonga ho azy izao dian’ny filoha any Toamasina izao sy ny fanampiany ara-bola fa midika ho pi-maso ho an’ny Fjkm izay sokajiana hatramin’izay fa akaiky kokoa an’Atoa Marc Ravalomanana izay filoha mpanampy rahateo eo anivon’ny birao foibe. Ankoatra izay, ny sabotsy tolakandro, dia nisy ihany koa asa tana-maro natao tao Ankirihiry tamin’ny fanadiovana tatatra andalovan’ny fokontany miisa 7, P/elle 11/11 – 11/12 – 11/14 – 11/22 – 11/21 – 11/23 – 11/24 ka olona niisa 100 no nampiasaina izay nomena vola 3.000 ariary avy. Nihaona tamin’ireo olobe, fiarahamonim-pirenena sy ny mpandraharaha tao Toamasina ihany koa ny filoham-pirenena ka nodinihana nandritra izany ny ny lafiny ara-politika, ara-toekarena, ary ara-piarahamonina.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT