Anio no hotokanana ny foiben-toerana na ny QG (Quartier Général) ho an’ny kandida Hery Rajaonarimampianana eny Andraharo, raha tsy misy ny fiovana. Tsy eny Antanimena misy ny foiben’ny HVM io, izay mariky ny mety ho fifanolanana na tsy fitovian-kevitra.
Karazan’ny miparitaka na miady ireo samy mpanohana an-dRajaonarimampianina raha halalinina ity toe-javatra ity. Antony iray heverina ho nahatonga an’io ny tsy nahafehezan-dRakotovao Rivo, Filoham-panjakana vonjimaika ankehitriny io antokon’ny HVM io. Endrika iray nisehoan’ny fisamatsamahana ihany koa ny fisintahan’ny mpikambana sasany, toy ny tao anaty governemanta, ka rehefa nesorina tamin’ny sezany, dia nisafidy ny nandeha irery izay sokajiana ho namadika. Anisan’ireny ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay efa nandeha irery ary kandinda filoha, ny minisitry ny fampianarana teo aloha Paul Rabary,… Etsy an-kilany ihany koa dia sokajiana ho nisintaka ry Laisoa Jean Pierre na Jaovato, izay anisan’ny nanampy betsaka ara-bola nanomboka ny taona 2013 sy tamin’ny fiarovana an-dRajaonarimampianina tsy hiongana ny taona 2013. Ny depioten’Atsimondrano Jaona Elite, izay heverina ho mahalala zavatra maro tamin’ireny resaka volabe nihodina tamin’ireny fampandaniana ny lalàm-pifidianana ireny, saingy nisintaka. Mety hanaraka ihany koa ve ireo ekipa sasany, toa an’i Mbola Rajaonah ? Andrasana izay ho tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.