Politique

Hery Rajaonarimampianina Lalaovin’ireo manodidina azy ?


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Mety efa manaiky ny hiala ihany ny filoham-pirenena am-perinasa Hery Rajaonarimampianina, saingy ireo manodidina azy no tsy manaiky lembenana sy managadra ary mamahan-dalitra azy, raha ny siosion-dresaka mivoaka avy any an-dapa any.

 

 Ny valin-tenin’ny HCC no iankinan’ny tantara na hitohy ny lalany na handao ny seza ny filoha. Ny governemanta kosa etsy an-daniny na teo aza ny filazan’ny praiminisitra, fa mbola ao ary miray hina tsara, dia toa tsy izany no miseho. Maro no efa tsy mazoto mamonjy asa sy birao intsony, ary toa efa nanomana ny lalan-kivoahany ny sasany. Nandeha rahateo ny resaka tany aloha fa efa maro no re saika hametra-pialana, saingy tsy sahy noho ny antony tsy fantatra mazava. Efa nambaran’ny depioten’ny fanovana ny fisian’ny fandrahonana izay mitetika ny hiala ny sambo dieny tsy mbola rendrika tanteraka, ary nambaran’ny teny an-kianja aza fa vonona ny hiaro izay mametra-pialana izy ireo raha tonga eny an-kianja ireto farany. Ny ankamaroany toa tsy te hiasa saina be intsony, ary mety efa mahatsapa fa tsy misy hevitra intsony ity fanjakana ity, saingy ireo tandapa mbola malahelo ny ho very fihinanana no miezaka mafy mitady hevitra tsy haharendrika ny sambo, raha toa ka efa miala voly sy toa milamin-tsaina ery ny fahitana ny sasany amin’ireo mpikamban’ny governemanta. Tsy andrenesam-peo ny ankamaroan’ireo minisitra, raha toa ka malaza ratsy amin’ny fiarovan-tseza sy fanakaramana mersenera kosa ny ao andapa, toy ny mpanolotsaina malaza iray. Re fa somary hentitra efa fotoana ela izay ny vadin’ny filoha, izay malaza amin’ny fitsabahana amin’ny raharaha politika, ary tena matahotra mafy ny ho very fihinanana. Maro no mihevitra fa tsy tompon’ny fanapahan-kevitra rehetra intsony i Hery Rajaonarimampianina ary misy amin’ireo olona manodidina azy no mamahan-dalitra sy milalao azy tsotra izao.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT