Taorian’ny nanambaran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny faniriany hanohizana ny asam-pampandrosoana ny firenena efa vita be dia be tao anatin’ny 4 taona sy tapany nitondrany izay ka nilazany
teny Antaninarenina am-pahimbemaso omaly zoma 17 aogositra ny maha kandidà azy ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana hatao amin’ny 7 novambra ho avy izao dia naneho ny fankasitrahana an’izany fanapahan-keviny izany ny filohan’ny antoko Fizafa ny depiote Randriamahefa Henri Charles izay nanitrikitrika fa efa tany amin’ny taona 2013 ity antoko tarihany ity no naneho fiaraha-miasa amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka efa nanipika sahady tamin’izany ny fanirian’izy ireo ny hirotsahan’ity filoha ity ho kandidà indray amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy. Raha sanatria tsy nirotsaka teo izy, hoy ity depiote ity, dia ho mpifidy mpitazana fotsiny tsy nanohana na kandidà iza na kandidà iza ny Fizafa. Ary mba hisorohana ny disadisa mety hitranga amin’ny fieritreretana fa nahavory olona betsaka ny kandidà iray ka hananay sary tamin’ireny nanaovany fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana tsy voafehin’ny lalàna ireny dia tokony havorin’ny Ceni ireo kandidà rehetra rehefa mivoaka ny lisitra ofisialy amin’ny 26 aogositra izao hanambarany fa hafa ireny famoriam-bahoaka niaraka tamin’ny mpanakanto nataony ireny izay nahabe ankizy tsy mpifidy hita tamin’ny sary sy ny tena sarin’ireo olona nanatrika ny fampielezan-kevitra tena izy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.