Politique

Hery Rajaonarimampianina “Izaho no manana miaramila be indrindra”


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Tsy mitsitsy vola aman-karena i Hery Rajaonarimampianina amin’izao fotoana izao, ka manao izay fomba rehetra hahalany azy indray ho filoha.

Tombanana avy hatrany ho tandindon’ny ho avy satria mbola tsy propagandy aza dia efa mampiseho fa manana ary afaka manao fampitaha raha vola no resahina. Nanolotra moto miisa 1000 ho an’ireo ben’ny tanàna  manohana azy teny amin’ny Foiben-toerany na ny QG teny Andraharo mantsy izy ny sabotsy 29 septambra teo. Novantaniny, fa izay manohana an-dRajaonarimampianina no mendrika izany, ka io fitaovana izay nomena antsika io, dia tsy natao hiasan’ny mpanohatra sy mpanenjika antsika sy hemely antsika fa entintsika hampandrosoana, entintsika hampandresy, hoy izy. Be loatra ireo fandemena any ambadibadika any ary tandremo fa misy mihitsy ny fampihorohoroana sy fihantsiana amin’izao fotoana izao, ka mila mijoro sy mila sahy ianareo, ary mila sahy isika, hoy Rajaonarimampianina. Ohatra amin’izany ny tany Ifanadiana, Morondava, Ambanja, ary mety misy ihany koa any amin’ny faritra hafa izay tsy fantatra. Eo anatrehan’ny fampihorohoroana, dia mba gaga aza ny tena rehefa mahita an’ireny hoe fa angaha tsy ireo olona miseho azy ho matanjaka be indray no mampihorohoro sy manakorontana, ary angaha tsy maika amin’ny fifidianana indray izy, fa isika efa vonona, ary isika mandroso, ary tsy maintsy hatao ny fifidianana. Nambarany fa izy ireo dia mandroso am-pahavononana sy am-pahavitrihana sy am-pinoana, ary nambarany fa ho vitan’izy io asa io ary hivoaka mpandresy izy amin’ny ady ataony. Naneho fahatokisan-tena rahateo i Hery Rajaonarimampianina satria isika, hoy izy, no tena manana miaramila be indrindra hiatrehana an’io ady io satria ireo ben’ny tanàna ireo no ambarany fa solontenany. Nanome toromarika ho an’ireo mpanara-dia azy i Hery Rajaonarimampianina  mba hiara-miasa eo anatrehan’ny karazana lonilony sy tsy fifankahazoana anatiny. Aoka izay ilay adiady madinidinika. Ady iraisana io ary iray ny kandidantsika, iray ny kandidanareo, ka tokony hitodika any amin’iny daholo ny rehetra, hoy i Hery Rajaonarimampianina, izay karazan’ny niaiky fa mifandolo ny samy mpanohana azy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT