Raha miala ao anatin’izao vanim-potoana mafana izao ny filoham-pirenena, dia banga 4 volana ny fe-potoam-piasany satria tsy maintsy miala 30 ka hatramin’ny 60 andro mialoha raha mbola ho kandida raha amin’ny volana novambra ny fihodinana voalohany.
Lalana iray hahafahan’ny rehetra manana herijika mitovy amin’ny fifidianana ny fialan’ny fanjakana am-perinasa. Tsy tokony ho olana ho an’ny filoha ny fialana, raha mbola mihevitra ny ho kandida sy mahatoky ny valerany izy. Ny heverina fa manahirana azy ireo dia ny fahasimban’ny kajikajy maloto rehetra hahafahany mandresy nanomboka tany amin’iny resaka lalàm-pifidianana iny, ny fampiasana fahefam-panjakana, ka izay no mety ho mbola mampifikitra azy eo sao dia mba hahavita fahagagana angamba. Etsy an-kilany, nandrasana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mikasika ny lalàm-pifidianana. Tsy afaka ny hampanan-kery azy iny ny HCC na oviana na oviana, hoy ny mpitsara iraisam-pirenena Arlette Ramaroson. Nisy tokoa ny zavatra maro tsy neken’ny HCC. Hiverenana dinihina na foanana tanteraka sy haverina any amin’ny governemanta ny famolavolana azy, saingy heverina aloha fa tsy hanaiky lembenana ny mbola hanomezana fahefana ny fitondrana ankehitriny hiantsoroka ny resaka fifidianana ny mpanohitra. Ny fampikatsoana ny raharaham-panjakana rehetra io vao mainka miha mahery vaika, ka na nisy aza ny fanambaran’ny tafika momba ny fampitandremana amin’ny fidirana amboletra amin’ny toerana saropady sy tranom-panjakana, dia mbola nitohy ny fakana ny mpiasan’ny Jirama teny Ambatonankanga, ny mpiasan’ny Minisiteran’ny vola teny Antaninarenina, ary mitohy anio indray ny any an-toeran-kafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.