Miha mahazo hery hatrany ny hetsi-panoherana satria vitan’ireo avy amin’ny depioten’ny fanovana ny mampikatso ny minisitera sy sampandraharaha isan-karazany eto amin’ny firenena. Voatariny ny ampahany betsaka amin’ny mpiasam-panjakana. Ireo ain’ny firenena, toy ny ladoany aza efa manomboka mikatso.
Mampahazo aina kely ny fanjakana kosa ny fanambaran’ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana ny nampitandrina amin’ny fanaovana amboletra amin’ny faritra manokana sy fananam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny minisitera sy tranom-panjakana isan-tsokajiny. Tetsy an-kilany, efa niaraha-naheno ny veliranon’ny solombavambahoaka fa tsy maintsy miala ny filoha. Raha miala ao anatin’izao vanim-potoana mafana izao ny tenany, dia banga 4 volana ny fe-potoam-piasany satria tsy maintsy miala 30 ka hatramin’ny 60 andro mialoha raha mbola ho kandida raha amin’ny volana novambra ny fihodinana voalohany. Lalana iray hahafahan’ny rehetra manana herijika mitovy amin’ny fifidianana ny fialan’ny fanjakana am-perinasa. Tsy tokony ho olana ho an’ny filoha ny fialana, raha mbola mihevitra ny ho kandida sy mahatoky ny valerany izy. Ny heverina fa manahirana azy ireo dia ny fahasimban’ny kajikajy maloto rehetra hahafahany mandresy nanomboka tany amin’iny resaka lalàm-pifidianana iny, ny fampiasana fahefam-panjakana, ka izay no mety ho mbola mampifikitra azy eo sao dia mba hahavita fahagagana angamba. Etsy an-kilany, andrasana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mikasika ny lalàm-pifidianana. Tsy afaka ny hampanan-kery azy iny ny HCC na oviana na oviana, hoy ny mpitsara iraisam-pirenena Arlette Ramaroson. Raha tonga amin’izay fandavana izay, dia hiverenana dinihina na foanana tanteraka sy haverina any amin’ny governemanta ny famolavolana azy, saingy heverina aloha fa tsy hanaiky lembenana ny mbola hanomezana fahefana ny fitondrana ankehitriny hiantsoroka ny resaka fifidianana ny mpanohitra. Mety hahita lalana hafa ihany koa anefa ny HCC satria tsaroana tsara fa izy ireo no niaro an-kolaka ny filoha, izay efa lanin’ny depiote tamin’ny latsa-bato ny fanalana azy ny volana mey 2015, ary mety mbola manantena ny tenany amin’ity indray mitoraka ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.