Raha ny tokony ho izy, tsy maintsy misy ny trano manokana natokana ho an’ireo filoham-pirenena teo aloha hatrany atolotry ny fanjakana Malagasy ho azy ireny rehefa nitsahatra na natsahatra amin’ny maha mpitondra azy izy,
hoy ny mpahay lalàna iray. Malalaka amin’ny safidiny anefa ilay mpitondra mikasika ny toerana tiany hipetrahana. Ho an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina manokana, afaka misafidy izy na hiverina amin’ny tranony eny Tsimbazaza na honina any amin’izay toerana natokan’ny fanjakana ho azy. Tsy mbola nanambara ny safidiny ny filoha sady kandida ary tsy nametra-pialana rahateo. Araka ny voalazan’ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana 2010 dia mametra-pialana 60 andro mialoha ny andron’ny latsa-bato ny filoha am-perinasa raha toa ka mirotsaka hofidiana izy, ka ny filohan’ny Antenimierandoholona no misahana ny asa aman’andraikitry ny filohan’ny Repoblika hatramin’ny fotoana anaovan’ny filoha voafidy ny fianianany. Satria hotanterahina amin’ny 7 novambra 2018 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena, dia amin’ny 7 septambra 2018 no tsy maintsy hametra-pialana i Hery Rajaonarimampianina, izy rahateo kandida, ho fanajana ny lalàmpanorenana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.