Hitarika ny Filankevitry ny minisitra farany amin’ny maha filoham-pirenena azy i Hery Rajaonarimampianina anio satria tsy maintsy hiala amin’ny toerana maha filoha azy
farahafatarany rahampitso 7 septambra, araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-46. Hanipy hoditr’akondro sa hanao fialan’ny olon-kendry ? Izay no fanontaniana mipetraka amin’izao. Azo heverina fa mba efa nametrapetraka ny kajikajiny rehetra ny filoha nialoha izao handaozany tanteraka ny sezany izao, taorian’ny 5 taona latsaka kely nitondrany ny firenena. Naman’ny vita hatreo ny amin’ny HVM raha vantany vao miala eo izy satria tsy hanana ny fahefana firy eto amin’ny firenena intsony na i Rivo Rakotovao aza no omen’ny lalàmpanorenana ny zo hitantana, hisolo ny filoha. Any amin’ny praiminisitra ny baolina hanomboka rahampitso. Ekena fa mbola manana ny maro an’isa ao anatin’ny governemanta ny HVM, saingy ho sarotsarotra ho azy ireo ny tena handidy sy hanapaka. Olana ho an’ny filoha tao anatin’izay fitantanany izay ireo manodidina azy sasantsasany, izay toa nandetika sy nanala baraka ny fanjakana, ary misy aza no mijoro ho fahavalony amin’ny fifidianana. Ireo lehiben’ny mpisorona ao anatin’ny HVM anefa, dia toa tsy azo ianteherana ara-politika satria olom-boatendry fa tsy olom-boafidy manana ny fanohanan’ny vahoaka. Toa tsy tena sahy nanilika an’ireny tamin’ny ankapobeny fa nizaka ny vavam-bahoaka sy ny kiana politika no nataon’ny filoha. Taty amin’ny faran’ny fotoam-piasany izy vao tena hita ho niezaka nampiseho fa nahavita ary mampanantena mbola hanao bebe kokoa. Mbola haharesy lahatra ny vahoaka ve ? Miakatra aloha ny soratra hatreto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.