48 ora sisa ny fe-potoana hananan’ny filoham-pirenena ankehitriny hipetrahana amin’ny maha filoha voafidy tamin’ny fomba demokratika azy.
Teren’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy 46 tsy maintsy miala 60 andro mialoha ny latsa-bato ny filoha am-perinasa mbola mirotsaka hofidiana. Hitarika filankevitry ny minisitra farany i Hery Rajaonarimampianina rahampitso alakamisy, aorian’ny fiverenany avy any Sina. Inona no ho fanapahan-kevitra mbola horaisiny farany ? Andrasana izay hiseho satria mafampana ny toe-draharaha politika, ary iankinan-javatra goavana ihany koa izay hambaran-dRajaonarimampianina sy ny fanapahan-kevitra farany horaisiny amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy. Maro rahateo ny zavatra mifampiankina satria mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao izay didy havoakan’ny filankevi-panjakana, araka ny fitoriana napetrak’i Tabera Randriamanantsoa, kandida filoham-pirenena, hitakiana ny hanafoanana ny didim-pitondrana laharana 2018-641 niantsoana ny mpifidy handatsa-bato ny 7 novambra ho avy izao. Raha toa ka eken’ny filankevi-panjakana io fitoriana io ka mahazo rariny, dia foana ny fifidianana amin’ny 7 novambra, ary miandry lamina sy tetiandro vaovao fa rava hatreo ny lamina efa nipetraka. Tsy voatery hiala izany Rajaonarimampianina raha izay no miseho. Tamin’ny diany tany Sina rahateo, dia mbola nanao fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa goavana tamin’ny sinoa, mahakasika ny resaka fanamboarana lalamby Antananarivo-Fianarantsoa miampy ny fanamboarana ny zotra FCE (Fianarantsoa-Côte Est) vatsian’ny sinoa vola 60 tapitrisa dolara, ary koa fanorenana seranan-tsambo goavana any Antsiranana izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.