Delestazy ! Izay no manamarika ny fiatombohan’ity volana septambra 2018 ity. Saika manerana ny Nosy no andrenesana fa miaina anaty haizina ny tanàna, zara fa mandeha ny jiro.
Ny itovizany dia tsy fahampian’ny solika, mba tsy hilazana fa tsy manome solika ny Jirama ireo orinasa mpamatsy noho ny resa-bola tsy voaloa. Mitaraina ny mpanjifa satria voaloan’izy ireo ara-potoana hatrany ny faktioran’ny jiro sy rano lanin’izy ireo, nefa ity ny tolotra omen’ny Jirama nanjary omeko tsy omeko. Nikorontana ny famerenan-desona faramparany nataon’ireo mpianatra hiatrika fanadinana BEPC manomboka anio. Mitebiteby fatratra ny mponina manoloana ny asan-jiolahy izay manararaotra toy ny banga mihomehy alina manoloana ny tsy fisian-jiro. Nihazakazaka mitokana zava-bita ny filoha kandida, mirehareha ho nahavita amin’ny famatsiana angovo vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina nampitomboana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara nefa vao mainka nanamainty ny dimy taona nitondran’i Hery Rajaonarimampianina ity delestazy ato anatin’ny herinandro farany itantanany ny firenena ity, mialoha ny hametrahany fialana amin’ny 7 septambra 2018, farafahatarany. Hivoaka ao anaty haizina izy !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.