Politique

Hery Rajaonarimampianina “Hanoratra ny tantara isika”


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Ofisialy ny hahakandida an’i Hery Rajaonarimampianina indray amin’ny 7 novambra, araka ny fanambarana nataony teny amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina, omaly tolakandro.

 

Efa tafapetraka eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ihany koa ny dosie, ka faha-14 nametraka ny antontan-taratasy izy, izay mirotsaka amin’ny anaran’ny antoko HVM. Tsy izy no nanatitra ny dosie fa iraka manokana. Nanoratra tantara isika, ary mbola hitohy hanohy ny asa efa natomboka satria izay no fangatahanareo, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Mila mahafantatra hoe taiza no niaingana, ka ny janoary 2014, dia firenena voasazy tamin’ny endriny rehetra dia ara-diplomatika, ara-bola, ara-politika,... teo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena no noraisiny. Ambony ny tahan’ny fahantrana sy fadiranovana izay 92%. Tsy maintsy naverina ny fitokisan’ny iraisam-pirenena, ny mpamatsy vola,… ka voaverina izany. Nolazainy fa tao anatin’ny 8 taona no nampiatoan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ka arovy sy aza potehina, hoy izy. Fotodrafitrasa fototra sy fijery lavitra mba hanovana tanteraka ny fototry ny fiharian-karena no nambarany fa nentiny satria tafapetraka ny kolikoly, herisetra, fandrobana harem-pirenena, adilahy politika. Nambarany fa maika ny zavatra rehetra ary mitaky zavatra maro sy maika ny vahoaka, ary izay no fandrika ho anay mpitondra firenena rehefa teren’ny vahoaka amin’ny zavatra maika, dia mihazakazaka amin’izany na dia fantatra aza fa tsy izay no vahaolana maharitra sy mafy orina ho an’ny firenena, ka nilazany fa mila faharetana ny fampandrosoana. Efa miakatra ary tsy mitsaha-miakatra ny tahan’ny fitomboan’ny harin-karena izay 5% amin’izao, ary tsy azo kosehina eo amin’ny tantara ny asa vita, toy ny tobim-pahasalamana, sekoly,… kanefa mora ny manakiana, mora ny mamotika, fa sarotra ny manangana, hoy izy. Niasa foana, ka tsy araky ny filoha intsony ny fitokanana ireo zava-bita manerana ny nosy satria be loatra izany, hoy izy. Betsaka ny mialona ary moramora ny miteny hoe rehefa mandeha ny zavatra rehetra dia aleo ho anay indray ka harovy ny zava-bita tokony hohatevenenina, hoy i Hery Rajaonarimampianina, izay milaza fa mbola vonona sy tena mbola tamana na nibaby kiana maro aza.

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT