Anisan’ireo filoham-panjakana hihazo an’i Dakar renivohitr’i Senegal mba hanatrika ny fihaonana an-tampony faha-15-n’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Frankôfônia (OIF) ny filoha Hery Rajaonarimampianina
. Hotanterahana manomboka rahampitso sabotsy 29 novambra izy ity ary hifarana ny alahady ho avy izao. Anisan’ny fotoan-dehibe amin’ity fivoriana ity ny fifidianana izay olona handimby an’Atoa Abdou Diouf eo amin’ny toeran’ny sekretera jeneralin’ny OIF. Azo antoka fa fotoana iray ihany koa hahafahana miresaka ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny fianakaviamben’ny Frankôfônia izy ity. Na izany aza anefa tsy dia hita mivaingana ny tena tombontsoan’i Madagasikara hatramin’izay naha mpikambana azy tao amin’ny Frankôfônia, izay sokajian’ny maro ho fikambanana natsangan’i Frantsa hahafahany mifehy ara-kolontsaina sy ara-politika ireo zanataniny fahiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.