Politique

Hery Rajaonarimampianina Hanao fanambarana eny Antaninarenina anio


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Hanao fanambarana lehibe sy valandresaka eny amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina anio zoma 17 aogositra.

 

Tsy mbola fantatra izay hambarany fa tombanana hifantoka amin’ny hoavy politikany io, dia ny fiatrehana ny fifidianana. Raha ny siosio, hanambara amin’ny fomba ofisialy ny haha kandida filoha azy izy. Efa nanazava an-kolaka izany rahateo ny nialan’i Rivo Rakotovao tsy ho filoha nasionalin’ny antoko HVM ny 27 jolay teo satria izy no handray ny toeran’ny filoha am-perinasa raha ho kandida. Nisy fivoriana mangingina omaly nataon’ireo olona akaiky ny filoha sy mpitantana orinasan-tserasera mpanohana azy, ary tsy dia nisy olon`ny HVM tamin’ireo, raha ny vaovao azo. Misy aloha izany ny karazana ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpanohana. Mbola endrika isehoany ny nitsanganan’ny Vovonana politika “Voromahery” na Vovonana miaro sy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina ny 10 aogositra teo ary nangataka ny firotsahany, toy ny nataon’ny HVM. Ny 7 septambra farafahatarany izy no miala raha hirotsaka, ka sokajiana ho kandida matanjaka, ary tombanana hanova ekipa amin’ny fifidianana. Nisy tamin’ireo olon’ny HVM no nanala-baraka ny fanjakana sy ny filoha, ka na nisy aza ny ambara fa zava-bitany sy fampandrosoana nataony dia takona noho ireo ekipa sasany, ary ratsy laza tanteraka ny antoko. Raha fandrantoana fihavanana no tokony ho nataon’ny mpitondra, nisy ireo olona sakana raha dinihina tamin’ny fihetsika mihantsy ady nataon-dry Rivo Rakotovao. Toa mailaka ery anefa ny tenany handray fahefana raha hiala ny filoha. Andrasana aloha izay tena hambaran-dRajaonarimampianina anio mba hampazava ny resaka.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT