Politique

Hery Rajaonarimampianina Hanao fahagagana ao anatin’ny roa volana ve ?


  • Alarobia 24 Desambra 2014

Fampanantenana maro hafa indray no nambaran’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery nandritra ny fandalovany tany Mahajanga ny fiandohan’ny herinandro teo

Anisan’izany ny fanarenana ny orinasa mpanodina lamba Sotema, ny fananganana toerana famokarana simenitra ary ny fanamboarana tetezana maro amin’ny lalam-pirenena faha-4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Madagasikara maoderina no tanjona, araka ny kabary nataony tany an-toerana. Firenena Malagasy miaina ao anaty fandriampahalemana sy fifandresen-dahatra ary anjakan’ny teny ierana no antoky ny fampandrosoana, hoy ihany ny tenany. Anisan’ny nanaitra ny mpanara-baovao ny nilazany fa ho vita ao anatin’ny roa volana ireo fotodrafitrasa fototra tsy vita tao anatin’ny 25 taona tany amin’iny tapany andrefan’ny nosy iny. Hanao fahagagana ve izany ny filohan’ny repoblika sy ny ekipany, hoy ny fanontaniana eny ambavan’ny olona ? Afaka 60 andro iaraha-mahita ny valiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT