Politique

Hery Rajaonarimampianina Hampiady ny malagasy ?


  • Talata 12 Aogositra 2014

Volavolan-dalàna 4 no voatondro fa hodinihana mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa an’ny antenimiera-pirenena izay nanomboka omaly, ka singanina manokana amin’izany ny adidy aman’andraikitry ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny loharanom-bola iasany ary ny fomba fiasany.Goavana ary tena manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena mantsy ity resaka fitsinjaram-pahefana ity ka tokony hahamailo mandrakariva ireo solombavambahoaka. Ny tena mampatahotra anefa dia maivana be mba tsy ilazana hoe tsy misy ny serasera sy fampitam-baovao ho amin’ny olom-pirenena momba azy ity

Nisy ilay sarintsarina fikaonandoham-pirenena notanterahana teny amin’ny CCI Ivato ny 21 sy 22 jolay lasa teo mba nandrafetana ny politika nasionaly momba ny fanapariaham-pahefana, fa firy amin’ny malagasy moa no tena mahafatatra azy io.Inona no nahatonga ilay soso-kevitra amin’ny hizarana an’Antananarivo renivohitra ho kaominina 6 ? Izay marina ve no tena vahaolana mahomby hampandrosoana ny renivohitr’i Madagasikara ?  Izay eo ihany, mety ho vita ihany io fanapariaham-pahefana io fa ny tena mampatahotra dia ity fomba firesaky ny filoham-pirenena momba ny fampihavanam-pirenena.Mibaribary be fa mpitari-bato vilam-bava i Hery Rajaonarimampianina, ka ao anatin’ny ora iray ihany dia efa maro be ireo fehezanteny mifanohitra ambarany.Mijoro ho ray amandrenin’ny malagasy hitarika ny fampihavanana izy , no sady mampiseho ihany fa tsy marisika amin’ny fampodiana ireo sesitany politika, indrindra fa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana .Ka inona ny fampihavanana ho vanona amin’izany ? Efa fantany tsara anefa fa tsy azo ihodivirana amin’ny fandaminana ny raharaha politika eto Madagasikara io filoha teo aloha io, mahafantatra zavatra maro momba ny politika anatiny sy ivelany ary tena ampy traikefa momba ny fampandrosoana ny isam-paritra, izany hoe ny fanapariaham-pahefana.Mifampiankina ny zava-drehetra, ka ho an’ireo mpandinika ny raharaham-politika dia mamono tena ihany ny filohampirenena ankehitriny raha toa ka manao be loha hanatanteraka samirery io fanapariaham-pahefana tsy maharesy lahatra ny maro an’isa io ; ary io mihitsy aza no vao maika hampifandrafy ny malagasy satria tsy voadinika tsara ny fitsinjarana ny harena isam-paritra, maimaika ny famaritana ny fahefana isaky ny fokontany, kaomina ary distrika.Tsy voadinika lalina akory ny fomba fiasan’ilay rafitra faritany izay naverin’ny lalampanorenan’ny repoblika faha-4 indray, fa dia teren-ko masaka toa voalobo-jaza fotsiny ilay fanapariaham-pahefana.Ka lasa ihany ny fisainana : sao lahy ka tsy hampihavana ny malagasy no tanjona fa ny hampiady azy ireo e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT