Asa indray izay havalin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny fangatahana nataon’ny ankolafy Ravalomanana ny hihaona mivantana aminy mba hangataham-panazavana ny amin’ny fitazonana any Antsiranana ny filoha teo aloha Marc
Ravalomanana ? Be marenina mantsy no hanakilasian-dry zareo an’ity filoham-pirenena ity sy ny praiminisitra notendreny ary ny minisitry ny fitsarana ankehitriny satria samy mihizingizina tsy miteny tsy mivolana fotsiny tsotra izao rehefa hanontaniana ny antony hitazonana ity filoha teo aloha ity. Aminay, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Hanitriniaina Lobo Razafimanantsoa nisolotena ireo namany ao amin’ny ankolafy Ravalomanana dia fitazonana tsy an-drariny sy tsy ara-dalàna izao atao amin’ny prezidà Marc Ravalomanana izao. Tapa-kevitra moa ry zareo fa hamerina ny fangatahana saingy sady nampitaina amin’ny haino aman-jery samihafa koa izany ho fanta-bahoaka sy hipaka hatrany am-bovonana hatrany an-tampony any ary mbola notovonana fanangonan-tsonia hitakiana ny hamerenana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eny an-trano fonenany eny Faravohitra. Marihina fa niara-nientana amin’ity fangatahana ity koa ireo depiote avy amin’ny vondrona parlemantera ivelan’ny ankolafy Ravalomanana. Dia sanatria mbola hisy hihaino ihany ve ireo olom-boafidy ireto ka ho zary mby amin’ilay fitenenana hoe Depiotem-bomanga ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.