Politique

Hery Rajaonarimampianina Andro farany


  • Zoma 07 Septambra 2018

Hanao veloma amin’ny maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka azy i Hery Rajaonarimampianina mety ho amin’ity anio 7 septambra ity,

 

 

raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana noho izy mbola nirotsaka hofidiana filoha indray. Ho tanteraka izany ilay “Miala Rajao” nohirahiraina teny an-kianja hatramin’ny 21 aprily 2018. Na izany aza, tsy voaresaka firy tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany notarihiny omaly io fandaozany ny fahefana io, na maro no niandrandra izany sy liana amin’ny akony. Na ny diany tany Sina sy ny fifanarahana samihafa natao tany aza tsy noresahina ao anatin’ny tatitra. Iny tokoa ve ny filankevitry ny minisitra farany sa hisy zavatra tsy ampoizina hiseho anio ? Ny tena misongadina ao anatin’ny tatitr’io filankevitra omaly io, dia ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony marobe izay nahatratra 51  tamin’ity indray mitoraka ity. Toe-javatra azo adika ihany koa anefa io hoe nametrapetraka ny olony ny filoha sy ny fitondrana notarihiny mialoha ny tena handaozany tanteraka ny seza. Anisan’ny niavaka ny nanendrena ny minisitry ny harena ankibon’ny tany teo aloha Zafilahy Ying Vah,  ho ambasadaoron’i Madagasikara any Rosia, izay tsiavihina fa vao volana vitsy izay ny filoha no nitsidika tany. Notendrena ho ambasadaoro any Sina ihany koa ny minisitry ny asa vaventy teo aloha Eric Razafimandimby. Andrasana izay tena hiseho sy ny mety ho fanambarana hataon’ny filoha. Ny hita aloha, dia nametrapetraka ny olony izany izy. Veloma mandrakizay ny azy sa veloma mbola hihaona eo amin’ny familiana an’i Madagasikara ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT