Politique

Hery Rafalimanana Olon’ny fisokafana aho


  • Alakamisy 11 Jona 2015

Tsy azo atao ny midoka tena fa nahavita isika fony nitantana ity tanàna ity tamin’ny fotoanandrony naha PDS antsika, hoy Atoa Hery Rafalimanana filohan’ny fikambanana Iarivo Mitambatra raha nifamotoana tamin’ireo mpanara-dia azy tao amin’ny Telozoro Andrefan’ Ambohijanahary omaly antoandro.

 

 Tsy hanenjika n’iza n’iza isika fa iaraha-mahalala ny zava-misy eto an-drenivohitra ankehitriny. Tsy maintsy harenintsika ity Iarivo mamintsika ity, hoy izy, ary isika rehetra mitambatra no hanatratra  ny tanjona hahatongavana amin’ny fampandrosoana imatimatesana ankehitriny. Tsy fampielezankevitra velively sanatria no atao fa tohin’ny fidinana ifotony isam-pokontany natao ho fijerena izay tena manahirana ny vahoaka izao hifamotoanantsika eto izao. Efa nambarako ombieny ombieny fa olon’ny fisokafana aho ka afaka miara-miasa amin’izay te hifanampy na iza izy na iza, ary « rassembleur » ihany koa ny tenako ka afaka mampihaona ny rehetra. Ambarako eto fa mbola mitombina hatrany ilay fomba fitenenana malaza hoe : « izay mitambatra vato, izay misaraka fasika ».

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT