Nampitomboina 3% izany hoe 300 000 eo amin’ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana miisa 9,9 tapitrisa ny isan’ny biletà tokana hatonta satria sao misy fahadisoana ataon’ny mpifidy,
ary tsy asiana laharana famantarana manokana ny biletà tokana sao fantatry ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana ny safidin’ny tsirairay, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny CENI. Tsy mbola nisy teto an-tany hoe nifidy daholo ny mpifidy voasoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray, izany hoe tsy nahatratra 100% ny mpandatsa-bato, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Hery Rabetokotany, mpitarika ny Antoko TIM na DISTIM any Andramasina, ary tsy hinoana ho betsaka mety ho fahadisoana na tsy hisy mihitsy aza ka hatao inona marina ity biletà tokana 3% amboniny hatonta ity ? Ny CENI na ny rantsa-mangaikany no manendry ny mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato tsirairay araka ny lalàna. Samy manao taratasy ireo olona ireo fa tsy hiandany amin’ny antoko politika. Mazava loatra koa fa amin’ny asa sarobidy toy itony dia tokony hofehezina ny antsoina hoe : tsiambaratelon’ny asa na « secret professionnel ». Ny lalàna dia azo ovana araka ny filan’ny vahoaka azy fa tsy misy lalàna tsy azo ovana izany. Raha sanatria ka tsy resy lahatra mihitsy amin’ny fametahana laharana miseho amin’ny biletà tokana ny CENI dia misy ny vahaolana azo atao : laharana miafina tsy hita raha tsy tarafina amin’ny hazavana, toy ny amin’ny vola taratasy ireny na « code-barres » no ampiasaina, hoy ny fanehoan-keviny. Manainga ny CENI izy handinika tsara mialoha ny hanontana io biletà tokana satria anisan’ny iankinan’ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ny fangaraharan’io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.