Politique

Hery politika maro « Tsy hanaiky horoahina eto izahay ! »


  • Zoma 23 Novambra 2018

Niverina heno daholo tetsy amin’ny Le louvre Antaninarenina indray omaly ireo vovonana politika heno matetika tato ho ato sy tsy heno efa elabe izay nivoy ny antsoina hoe fanorenana ifotony mialoha ny zava-drehetra.

 

 

 Anisan’izany ny HFI, TFI, RMTF, Grand rassemblement des refondateurs ary Conférence Souveraine. Miaraka aminay koa ny antoko politika maro. Nohamafisiny fa tsy maintsy atomboka ny fanorenana ifotony eto Madagasikara satria mihorohoro ny vahoaka amin’izao fahavaratra tonga izao. Ho fety sa faty, hoy ny fanontaniana napetrany. Aza manaiky zaraina intsony isika. Ny zava-misy ankehitriny dia miha mahazo vahana eto ny firenena ivelany, mitotongana ny fari-piainan’ny Malagasy, mihanaka ny pesta sy kitrotro ary raha izao no mitohy dia horoahina eto an-tanindrazany ny Malagasy. Tsy hanaiky izany izahay, hoy hatrany izy ireo. Hisy moa ny hetsika hotanterahan’izy ireo ny sabotsy izao raha tsy misy ny fiovana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT