Omaly alakamisy 18 oktobra no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny torolalana ho an’ny olom-pirenena ho fiaraha-mientana amin’ny fitandroana ny filaminana mandritry ny fifidianana.
Vokatra ao anatin’ny tetikasa « Rindra hisiam-pifidianana lavitry ny hetraketraka » na PEV Madagasikara ity torolalana ity. Apetraka foana ity tetikasa vatsian’ny vondrona eoropeanina vola amin’ny alalan’ny « Instrument contribuant à la stabilité et à la paix (Icsp) ity n’aiza n’aiza firenena manao fifidianana. Tanjona ny ahafahana manara-maso ny vaovao mifandraika amin’ny fifidianana ka hizarana izany any amin’ny tompon’andraikitra mahefa tahaka ny CENI, minisiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny hery fiarovana (FDS). Rehefa voamarina fa misy herisetra sy hetraketraka manodidina ny fifidianana dia alefa sy ampitaina haingana amin’alalan’ny tambajotran-tserasera www.alerte.pevmadagascar.ue izany mba hisian’ny vahaolana haingana. Misy karazany 3 ny herisetra sy hetraketraka amin’ny fifidianana : ny fikasihan-tanana, ny teny mandratra izay tsy azo tenenina fa enjehin’ny lalàna amin’ny andron’ny fifidianana, ary ny herisetra ara-drafitra (violence structurelle) izay mifandraika amin’ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana tahaka ny fametrahana afisy eny amin’ny tsy tokony ho izy. Ny tetikasa no manara-maso akaiky amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao tahaka ny fametrahana zana-bolana ahafahana hijery izany rehetra izany eo ambony sarin-tany eny fa na dia any ambanivohitra lavitra any aza.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.