Kandidŕ tanora vao 38 taona maniry fatratra ny ho mpikambana eo anivon’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalŕmpanorenana (HCC) i Herinjatovo Elysée Fleuri , mpitsara, 9 taona niasana teo anivon’ny fandraharaham-panjakana, efa nitana ny toerana Tale Jeneralin’ny Vondrom-bahoaka fitsinjaram-pahefana. Manana ny marim-pahaizana
“maîtrise en droit public”, “maîtrise en droit privé”, “maîtrise en droit et gestion de l’environnement”, « diplômé de l’ENMG, de l’ENAM, IEP Université Strasbourg, ENA de France ». Teknisianina madiodio manam-piniavana hanompo ny tanindrazana ny tenako, hoy izy, ary tanora vonona tena hitondra fanovana eto amin’ny firenena. Telo ihany no toerana mba nofinofiko eo amin’izany dia ny ho mpikambana amin’ny HCC, na ho tendrena ho Senatera, na ho mpampianatra raikitra eny amin’ny Oniversite eto Madagasikara. Tsy ho lavina koa anefa ny ho mpiasan’ny solontena malagasy any ivelany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.