Tohina tamin’ny herisetra efa tena miverimberina natao ny mpanohana azy teto Antananarivo ny Kandida Marc Ravalomanana, izay nitarika ny fahafatesan-dRazanaboahangy Marie Augustine na Neny,
46 taona monina eny Ankasina noho ny hetraketraky ny mpandroba sy mpandoro teny amin'ny Lacoste Tsaralalana, rehefa avy namonjy fampielezan-kevitra teo amin'ny Boriborintany voalohany ny ny zoma lasa teo, raha ny fampitam-baovao navoakan’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Anio no hiala ao an-tranony ny nofo mangatsiakany. Naneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny maty ny kandida Marc Ravalomanana, ary nampahafantatra fa efa 6 izay ireo mpanara-dia azy tratran’ny herisetra sy vono, ka tsy azo ekena. Miantso ireo mpitarika politika tompon’andraikitra amin’izao hanameloka ampahibemaso an’izany izy ary hanome baiko ny olony tsy hanao herisetra. Miantso ny rehetra haneho hevitra tsy ao anaty herisetra i Marc Ravalomanana. Nohamafisiny fa olon-kendry sy manaja ny filaminana ny mpanara-dia azy. Tsara ny manamarika fa efa tamin’ny herinandro ambony no nisy olona mpanohana niharan’ny herisetra teny 67 ha, ka olona miakanjo ny sarin-dRajoelina no nanao izany. Rehefa nirava avy eny Ambohijatovo ihany koa ny mpanohana, ka nandalo teo Tsaralalana dia nisy ny herisetra nihatra ny sabotsy teo. Nisy ny naratra, nisy ny fanimbana fiara tany Ambatofotsy ny herinandro teo,… Tsy ny kandida Marc Ravalomanana sy ny mpanohana azy ihany, fa ny kandida Ny Rado Rafalimanana ihany koa dia nanameloka ny herisetra nataon'ireo andian-jatovo mpomba ny TGV teo Anosizato izay nanao fihetsika feno habibiana tamin'ireo mpanohana ny Fanahy Maha Olona tao anaty fiara teo anoloan'ny QG an-dry zareo raha sendra fitohanan’ny famoivoizana ny sabotsy 27 oktobra teo tokony ho tamin'ny 4ora sy sasany. Vono feno ratra no nataon'ireo sady miteny ratsy, no tonga dia mikasi-tanana, raha ny voalazan’io kandida io. Tena mahamenatra ny toy izao ary tsy ekena satria dia rehefa tsy mitovy hevitra amin'izy ireo dia ny herisetra no avoaka, hoy izy. Tany misy fanjakana ity ka tokony hihatra amin’ny mpamono olona ny sazy, ary aminay dia tokony hijery akaiky an'izao ny CENI. Raha tsy misy fandraisana andraikitra raisinareo, hoy izy, dia miray tsikombakomba ianareo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.