Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny K3F (Komitin’ny Fahamarimanana Fandriampahalemana Fiadanana) tarihin-dry Mompera Rakotomarivo Prosper, Radavidson Benjamin Andriamparany,… rehefa tsy dia re firy tao anatin’ny fotoana maharitra.
Tsy nitsitsy fitenena izy ireo omaly naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka, ka nilazany fa natao hamahana ny olana ny fikarakarana ny fifidianana, kanefa vao mainka olana vaovao no naterany eto amin’ny firenena. Nivantana ny K3F nilaza fa fsy mahavita ny andraikiny ny governemanta na tamin’ny fikirakirana ny fifidianana na tamin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, hoy ny fanambarana novakian’i Mompera Rakotomanarivo Prospère. Mitombo sy manjaka ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly ary fiakaran’ny vidim-pianana. Eo anatrehan’ny valim-pifidianana ofisialy hivoaka ny 8 janoary izao kosa, dia miantso ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC izy ireo, ka aoka ny marina sy ny ara-dalàna irery ihany no hibaiko anareo, hoy ny K3F. Tsy nisorona ity komity ity nivantana fa fotoana izao hahafaha-maneho ny hambompom-pirenena, ka tsy hobaikoan’ny vondrona iraisam-pirenena lava, izay mahatonga antsika ho angady tsy mahatapak’ahitra fa kofehy manara-panjaitra fotsiny na ny governemanta na ny CENI, hoy ny fanambarana miezinezina. Mba hiarovana indray an’i Madagasikara tsy ho latsaka anaty lavaky ny krizy politika lavareny mamotika firenena sy mampahory vahoaka, dia ny HCC no hany andrim-panjakana antenanaina ho tandroka ho aron’ny vozona hisandratan’ny marina araka ny lalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana, hoy hatrany ny fanambarana novakian’i Mompera Rakotomanarivo Prospère. Mila manao ezaka bebe kokoa amin’ny fandaminana ny raharaham-pirenena ny governemanta amin’izao, hoy ny K3F. Ho vita sy handeha araka ny hiheveran’ny maro azy ve izany eo anatrehan’ny fahatsapana fa miandany amina kandida iray sy toa mamaly babena noho ny toerana ambony nomena azy ny Praiminisitra?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.