Tontosany ny di-dohan’ny CENI namoaka ny valim-pifidianana na mbola manana hatramin’ny 1 janoary 2019 aza izy ireo, raha ny lalàna arahina.
Ny 48, 09% izany hoe mpifidy 4.767.697 tamin’ny mpifidy voasoratra anarana 9.913.599 no ambara fa nandatsa-bato. 47 146 ny vato fotsy ary vato maty kosa ny 78.465. Nahatratra 4.648.086 ny vato manan-kery, ka 2.587.035 (55.66%) no ambara fa azon’ny kandida faha-13, raha 2.061.051 (44.34%) ny any an’ny lah 25. Aoka hatsahatra ny fanenjehana ny CENI, hoy ny filohany Hery Rakotomanana, izay niezaka mafy nanadio tena sy tsy te hiaiky ny lesoka, kanefa tsy takona nafenina ny petatoko sy toe-javatra mampiahiahy maro. Tsy itokisanay ny vokatra navoakan’ny CENI satria tsy mahaleo tena io fa nitongilana, hoy ny valin-kafatry ny K25. Nipetrapetraka ny tetika maloto nentina nampandresena an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana teo ary nandray anjara lehibe tao ny CENI, hoy ny fanambarana natao teny amin’ny Foiben-toerana teny Bel’Air omaly takariva. Nibaribary ny fiandaniana satria tsy noraharahiana ny fangatahan’ny K25 dia ny tokony hanajan’io rafitra io ny fe-potoana voafaritry ny lalàna amin’ny famoahana ny voka-pifidianana izay tsy tapitra akory fa nihazakazahana ny famoahana ny vokatra kanefa nisy ny fangatahan’ny K25 ny fampiatoana izany aloha eo anatrehan’ny fitrandrahana sy ny fitadiavan’izy ireo ny mangarahara saingy natao ihany ilay izy, hoy ny talen’ny Fampielezan-kevitra Tsehenoarisoa Rabenja. Tsy mifanaraka ny lalàna ny fisian’ny bileta tokana izay “numéro de series” eo amin’ny “souches” ihany fa tsy nasiana ny bileta. Nilaza ny CENI fa hiarovana ny tsiambaratelon’ny mpifidy sy ny latsa-bato. Tsy mila manao fandikana sy hampihatra araka ny fomba fijeriny fa zavatra tsy maintsy tanterahina ny voalazan’ny andininy faha-120 amin’ny làlana fehizoro momba ny fifidianana, izay milaza fa tsy maintsy asiana “numéro de séries”, raha ny ambaran’ny K25. Fanamorana ny hala-bato natao tamin’ny 13 no nataon’ny CENI tsy nanao an’io, ary nanampy tamin’ny hosoka faobe, hoy hatrany ny Talen’ny fampielezan-kevitra sy ireo mpahay lalàna ao anatin’ny Legal team. Nipetrapetraka ny halatra, toy ny hoe: ny delegen’ny kandida 25 dia tsy navela niditra tao amin’ny SRMV raha tsy adiny roa na telo taty aoriana tamina toerana maro, raha ny fanazavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.