Politique

Hentitra ny eny amin’ny 13 mey “Tsy maintsy azontsika ny fandresena”


  • Talata 22 Mey 2018

“Na inona na inona ambaran’ny HCC, tsy maintsy azontsika ny fandresena”. Izany no resaka teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy lasa teo.

Notohizana ny fanaovana ampamoaka ny amin’ny kolikoly sy fanodinkodinam-bola ataon’ireo mpitondra ambony eto amin’ny firenena. Iray volana katroka omaly alatsinainy 21 mey ny niantombohan’ny fidinana an-dalambe teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Famoriam-bahoaka nataon’ny depiote 73 avy amin’ny TIM, MAPAR, MMM, ary ny tsy miankina teny ankalamanjana hoenti-manao tatitra ny tena zava-nisy teny amin’ny antenimieram-pirenena no niantombohany, hanazavana ireo tsy mety sy ny resaka kolikoly avo lenta nampandaniana ilay lalàm-pifidianana. Indrisy anefa, fampiasan-kery tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso sy fitifirana tamin’ny bala tena izy, izay nisian’ny ra nandrika sy ny faty olona tamin’iny 21 aprily iny no setriny. 5 no maty fa ny 2 no nentina teny an-kianja, hoy ireo depiote. Ny ampitson’iny dia niala an-daharana tsy nandray baiko hamono vahoaka sy handrava hetsika intsony ny mpitandro ny filaminana. Tsy nijanona tamin’ny tatitra intsony ny hetsika nanomboka teo fa tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny filoha. Nisy ny fitoriana teny amin’ny fitsarana sy ny HCC. Ankoatra ny famonoana ny Malagasy mpiray tanindrazana, dia teo ihany koa ny tsy nananganana ny fitsarana ambony (Haute Cour de Justice) tokony ho natsangana herintaona farafahatarany, taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena ny fahefana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenana saingy tsy noraharahian-dRajaonarimampianina kanefa azo atao tsara ny mitaky ny fialany, vao tsy vitany izany. Nanomboka ny fitokonana sy fitakiana, izay nisian’ny fampikatsoana ny raharaham-panjakana tamin’ny alalan’ny fakana ny mpiasan’ny minisitera sy ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny. Tao anatin’izay no nivoaka ny didin’ny HCC noho ny fitorian’ny depiote mpanohitra momba ny lalàna mifehy ny fifidianana nolavina noho ny fisian’ny ampahany tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Mbola karazana fihantsiana ady no nasetrin’ny filoha, ka navoakany hanan-kery indray ireo lalàna. Vao mainka nihamafy ny tolona, indrindra ny faran’ny herinandro teo niandrasana ny valin-tenin’ny HCC momba ny fangatahana ny fialan’ny filoha, izay mitombina. Tonga mangingina teny an-toerana ny mpisolovava ny filoha sy ireo parlemantera HVM nanambara fa 164 isa nanatitra ny fiarovan-tena na ny “mémoire en defense”. Manana 5 andro hamaliana izany ny depioten’ny fanovana, saingy milaza tsy hanao intsony, ary mahatoky ny fitoriany. Andrasana amin’ity herinandro ity ny didy, izay efa nisian’ny “sit-in” goavana teny Ambohidahy ny faran’ny herinandro teo. Ny fanazavana teknika nataon’izy ireo rahateo, dia  hoe raha vao mitombina ny fitoriana, dia efa any amin’ny 50% amin’ny didim-pitsarana fa ny 50% sisa mbola hanaovana ny tolona. Any amin’ny HCC ny baolina. Efa nampitandrina ny depioten’ny fanovana fa tompon’andraikitra feno izy ireo raha tsy mifanaraka amin’ny fitakiam-bahoaka ny didy mivoaka eo, izany hoe ny fanalana ny filoha. Vao mainka ho loza raha handeha ny fiarovana an-kolaka, toy ny tamin’ny 2015. Aza terena izahay, hoy ny depiote hiditra amin’ny lalana ivelan’ny lalàmpanorenana. Mitohy tsy mijanona ny tolona raha tsy tratra ny tanjona, ka eny an-kianja indray izany ny fotoana manomboka anio amin’ny 10 ora maraina, hisy ny fanaovana diabe raha araka ny fanentanana hita sy re tamin’ny haino aman-jery; efa tazana teny an-kianja ihany koa ny vatam-paty sy voninkazo fanaovam-beloma an-dRajao ny sabotsy teo.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT