Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Krismasy, tena faly aho satria nahatratra ity androm-pamonjena ity mariky ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao ka nanomezany ny zanany hamonjy antsika mba tsy hisy ho very izay mino azy,
hoy i Marc Ravalomanana omaly raha nanatrika ny fankalazana ny Krismasy teny Imerinkasinina niaraka tamin’ny fianakaviany izy .Fantatro, hoy izy fa velon’ahiahy ny vahoka Malagasy, mitebiteby satria nanantena fifidianana hizotra tamin-pilaminana, madio sy mangaraharaha ary ara-dalana ; tsy izay anefa no nitranga fa fifidianana nanjakan’ny hosoka sy ny herin’ny vola, teo koa ny sotasotra sy ny herisetra.Nandiso tanteraka ny voka-pifidiannana izany.Tsy nihetsika mihitsy aloha izahay, hoy i Marc Ravalomanana mba ho fanajana ny fankalazana ny krismasy.Ankehitriny anefa hiroso tanteraka amin’izay isika amin’ny fitakiana ny zo sy ny hasin’ny voka-pifidianana mba handeha amin’ny rariny sy ny hitsiny ka rehefa iaraha-mahita fa tsy mety dia tsy mety izay.Fifidianana tsy azo atokisana iny, nisy ny mpiasam-panjakana nanohana ny laharana faha 13..tsy henatra tsy tahotra fa tena nanery ny sefo distrika sy sefo fokontany ary ny prefe mba tsy hizara araka ny tokony ho izy ny kara-pifidianana, ny manamahefana ambony sasany…tena voahosihosy ny hasin’ny safidim-bahoaka, hoy izy voahisohosy noho ny herin’ny vola.Aleo handeha am-pamarinana ny fanisana ny vato, izay no antony nangatahana ny fampitahana ny voka-pifidianana ary hita porofo ny hosoka.Mijoro amin’ny fahamarinana aho.Hatramin’ny 25 desambra tamin’ny 4 ora maraina niantso ahy ireo mpiara-miasa nilaza fa tena nisy ny voka-pifidianana nampifamadihana, teo koa ireo bileta tokana efa voamarika mialoha, hoy i Marc Ravalomanana.Nisy koa ny fitanana an-tsoratra maro nahitana fa sora-tanana olona iray no nanoratra azy rehetra.Miantso ny mpitondra fanjakana, ny filoham-panjakana sy ny praiminisitra, nilaza fa hitantana ny fifidianana amin’ny mangaraharaha, aho hoe : ataovy ny asanareo ; ny olona miaraka amiko dia efa vonona ary tsy hanaik mora foana ny tsy rariny hoy ny kandida laharana faha 25.Nanafatra ny CENI ihany koa izy nanao hoe : avelao izahay hiasa amin’ilay fampitahana, hajao ilay fetr’andro fahatongavan’ny antontan-taratasim-pifidianana farany araka ny ambaran’ny lalàna.Afaka adidy izahay rehefa tena tsy azo ifampiraharahana sy tsy azo ifampiresahana.Miantso ny vahoaka aho, tsy hanaiky lembenana isika fa tena hijoro hatramin’ny farany, hoy i Marc Ravalomanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.