Politique

Helson Brisson Erafa na Jubé Tsy afa-po tamin’ny voka-pifidianana tany Toliara II


  • Zoma 25 Septambra 2015

Nivoaka ny talata 22 septambra teo ihany ny voka-pifidianana kaominaly tany amin’ny Faritanin’i Toliara izay nambara fa vokatra tsy azo hivalozana, hoy ny solombavambahoaka Helson Brisson Erafa na Jubé filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena faritany Toliara.

 

 Nampametra-panontaniana anay ihany, hoy izy ny hoe : nahoana no tsy niara-navoaka tamin’ny an’ny Faritany hafa ny zoma 18 septambra teo izany ? Tsy nahafa-po azy ny vokatra tany an-toerana. Nisy mantsy, hoy izy, ny « requête » nalefa tany amin’ny fitsarana toa tsy nojerena akory. Ohatra tamin’izany izay natao tany Andranovory. Mbola manana folo andro anefa izy hampakarana ny raharaha any amin’ny filankevi-panjakana. Marihina fa efa maro ireo kandidà nifaninana no efa niatrika itony fifidianana itony taloha ka tsy sarotra ho azy ireo ny nampiasa ny traikefa nananany avy teo amin’ny fangalaram-bato. Nambarany fa tany amin’ny biraom-pandatsaham-bato samihafa dia nahitana kandidà Mts, Mapar, Tim nanana porofo samy nangala-bato avokoa.

Raha ny mikasika ilay raharaha depiote Mara Niarisy avy any Ankazoabo Atsimo dia nambarany fa tsy nety ny fanaovana fisavana ny trano fonenan’ity namana ity fa tsy nisy akory fahazoan-dalana nalain’ny mpitandro ny filaminana taty amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena nahazoan’izy ireo nanatanteraka izany araka ny lalàna. Efa nandefa antso any amin’ireo minisi-panjakana tompon’andraikitry ny fandriampahalemana eto amintsika moa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ny alatsinainy teo ka inoana fa ho avy hitondra fanazavana ety amin’ny birao maharitra farafahatarany ny zoma izao izy ireo. Ao ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny avy amin’ny polisim-pirenena koa fa dia miandry izahay ety Tsimbazaza ny amin’io.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT