Politique

HCC Tokony haneho fomba fiasa mangarahara


  • Talata 20 Novambra 2018

Ny asan`ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana dia voafaritry ny lalàmpanorenana, voafaritry ny didy hitsivolana mifehy azy tamin`ny taona 2001 dia ny HCC, indrindra voakasika ny lalàm-pifidianana 2018 -008 sy 2018-009.

 

 

 

 Ireo fitoriana kosa dia tsy maintsy atao an-tsoratra ary anjaran`ity Fitsarana ity no mijery raha misy antontan-taratasy ilainy na tsia ka anjarany no mangataka izany na fitoriana kandidà io na andrim-panjakana anankiray. Mila apetraka foana ny atao hoe : “principe du contradictoire”  ka tsy maintsy hampahafantarina ny olona toriana ireo antontan-taratasy mahakasika azy. Manana andro maromaro izy avy eo hamaliana sy hanazavana ny anton`ny fitoriana. Azon’ny HCC atao ihany koa ny fitsarana atrehin`ny rehetra (audience publique) na tsia (audience à huit clos). Ny didim-pitsarana ihany koa no hamoahana ny pitsopitsony rehetra, na mahakasika ireo fanakianana na ny famoahana voka-pifidianana fihodinana voalohany. Azony atao anefa ny manambatra ireny fitoriana sy fitakiana rehetra ireny ao anaty didy iray miaraka amin`ny didy famoahana voka-pifidianana. Tokony hatao izay ahafahan`ny olona rehetra mahafantatra ny tena votoatin`ilay didy, izany hoe : atao dika Malagasy sy frantsay ary hazavaina amin`ny besinimaro. Marihina fa misy ny savorovoro noho ny fanakianana betsaka ataon`ireo kandidà an`ireo andrim-panjakana ireo, ka tokony hataon`ny HCC izay hampangarahara ny fizotran`ny raharaha, mba ho afa-po ny mpifanandrina rehetra, havela hitondra ny fanazavana sy ny fanaporofoana rehetra ary hohenoina amin’ny an-tsakany sy an-davany, alohan`ny hamoahana ny didim-pitsarana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT