Hitodika eny Ambohidahy ny saina aman’eritreritry ny mpanara-baovao ! Anio tokoa mantsy no hanao karazana fitsarana manokana momba ny fangatahana fanonganana ny filoham-pirenena nataon’ny solombavambahoaka ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Fitsarana manokana
Hifanatrika mandritra ity fitsarana manokana eny Ambohidahy ity, raha araka ny fantatra, ireo mpisolovava ny solombavambahoaka an-kilany sy ireo mpisolovava ny filoham-pirenena an-daniny. Efa samy nametraka ny antontan-taratasin’adiny teny amin’ny HCC izy ireo ka tsy maintsy hisy aloha ny fihainoana ny fanazavana avy amin’izy ireo vao mety hilaza ny heviny ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Telo ny tranga mety hiseho. Voalohany, hanaiky ary hanamafy ny fitorian’ny solombavambahoaka ny HCC ary hilaza fa nisy tokoa ny fandikana ny lalàmpanorenana nataon’ny filoha koa dia miongana izy izany. Faharoa, mety hilaza ny HCC fa tsy mitombina ny fanaovana ilay « motion de déchéance » na tsy maharesy lahatra ny votoatiny koa dia lavina ny fangatahan’ny solombavambahoaka ny hamerezan-jo ny filoham-pirenena sy hanesorana azy amin’ny toerany. Fahatelo farany, mety hilaza ry zareo eny Ambohidahy fa tsy mahefa hitsara ny raharaha. Nisamboaravoara be ihany ny tontolo politika tato ho ato izay eo am-piandrasana izay valin-tenin’ny HCC, ka ho hita eo na hanongana na hiaro ny filoha ity andrim-panjakana ity. Tena sarotra ny toe-draharaha satria efa hita mibaribary ny fifanandrinana eo amin’ny filohan’ny repoblika sy ny depiote, ary tsikaritra ihany koa fa efa misy ny mpanao politika manararaotra izao toe-draharaha izao. Am-pelatanan’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny HCC noho izany ny hoavin’ny firenena ka dia ho hita eo izay hafitsok’izy ireo. Milaza ny hitondra vahoaka ho eny amin’ny HCC Ambohidahy moa anio ity ry zareo avy ao amin’ny vondrona Mapar. Tsy mbola fantatra mazava koa anefa na anio no hamoaka ny valin-teniny aorian’ilay fifanatrehana ny HCC na mbola amin’ny fotoana manaraka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.