Politique

HCC Andrim-panjakana mampisavorovoro


  • Zoma 07 Septambra 2018

Andrim-panjakana tsy azo ihodivirana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana saingy mampametra-panontaniana ny maro ireo fanapahana noraisin'ireo mpanolotsaina avo ao Ambohidahy.

 

 

Maro ireo fanapahana manjavozavo tokony hitondrany fanazavana, indrindra ireo fanapahana manitsakitsaka ny lalàmpanorenana. Tsy fantatra intsony raha mifanitsaka andraikitra ny andry sy rafi-panjakana eto amintsika. Na ny lalàmpanorenana na ny lalàna mikasika ny HCC na ny lalàn’ny filankevi-panjakana na ny lalàna mikasika ny fifidianana dia milaza fa raha mahakasika ny fifidianana nasionaly toy ny filoham-pirenena, depiote, senatera dia ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ihany no mahefa. Ny  Ben`ny tanàna kosa dia ny Fitsarana misahana ny ady amin`ny fanjakana na “Tribunal administratif” no mahefa. Rehefa manao fandravana ilay olona tsy mankasitraka ny didy mivoaka dia ny Filankevi-panjakana no mahefa. Efa voafaritra ny fahefan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana raha misy fifanolanana amin`ny resaka fifidianana saingy hafahafa ihany raha ny HCC izay andrim-panjakana natao hiaro toy ny anakandriamaso ny lalàna, no mandingana sy manosihosy azy toy izao. Maro ireo raharaha nalefa teny amin`ity Andrim-panjakana ity izay tsy mbola nahitam-baliny. Ny HCC dia somary ela fomba fitsarany sy famoahany didy ary ny filohany mihitsy no milaza fa tsy voatery araka ny lalàmpanorenana no hitsaran`ny HCC fa mba hahafahana miaro ilay andrim-panjakana no hamoahana ilay didim-pitsarana. Tamin’ny taona 2014, ohatra, nisy fangatahana fanesorana solombavambahoaka fa tsy nanaraka ny lalàna and. 71 sy 72 amin`ilay tsy mety manaraka ny voalazan`ny antoko. Ny taona 2015, nisy ny fangatahana fialan`ny filohan`ny Repoblika fa tsy manaja lalàmpanorenana. Tamin`ny farany teo, maro ny fitoriana mahakasika ny filoham-pirenena izay tokony hanasaziana azy noho ny tsy fanajana lalàmpanorenana. Hatramin’izao, tsy mbola nivoaka koa ny mahakasika fangatahana fanesorana solombavambahoaka. Miahiahy ny mpanara-baovao amin`ny fomba fiasan`ny HCC, maninona rehefa misy raharaha dia haingana be no mivoaka ny didy na hevitra kanefa misy ny hafa efa elaela iniana tsy valiana ? Raha jerena araka ny lalàna, tsy fanerena hitsara no atao hoe “deni de justice”, ka diso tanteraka ny HCC amin`ny tsy fitsarana ireo raharaha napetraka eo am-pelatanany. Tsy omena tsiny ny hafa raha toa tsy mahatoky an`ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana ka mandefa ny raharaha eny amin`ny Filankevi-panjakana. Maro mantsy ny tranga tsy nitondrany fanazavana kanefa fitoriana arahina porofo, indrindra mikasika ny fototry ny krizy, ny hadisoana ataon’ny fitondrana… mba hametrahana fitoniana politika saingy toa tsy misy tohiny intsony.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT