Politique

HCC-Ambohidahy Tafapetraka ny taratasy fitoriana ny Filoham-pirenena


  • Alakamisy 28 Mey 2015

Mihenjan-droa ny tady ary tena mihenjana mafy avy ao Tsimbazaza ka hatreny Iavoloha. Omaly antoandro no nametraka ny taratasy fiampangana ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Hery Raonarimampianina ireo Solombavambahoaka maro an’isa izay nanao sonia ny fampiatoana azy amin’ny asany ka ny Solombavambahoakan’Ampanihy Liahosoa Malement, izay notronin’ny Solombavambahoakan’Antananarivo Razafimanantsoa Lobo Hanitra sy i Houssene Abdallah, Solombavambahoakan’i Soalala izay samy mpahay lalàna avokoa, no nitondra ny teny nanoloana ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC.

Raha araka ny fanazavan’Atoa Houssene Abdallah izay efa minisitry ny Fitsarana tamin’ny Repoblika faharoa, dia tsy misy lalàna mametra fotoana hamalian’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana an’iny fiampangana iny fa miankina amin’izay voalazan’ny fitsipika anatin’ny HCC ao ihany ka mety ho 15 andro izany. Tsy maintsy mamaly kosa anefa ity andrim-panjakana ity na mahatapaka na tsia. Ho an’ny Solombavambahoakan’i Morondava Hawel Mamod’Ali indray dia omena herinandro ny HCC hamaliana io fiampangana io. Sarotsarotra ihany moa ny nahazo vaovao tao amin’ny HCC noho ny fahasiahan’ireo mpiambina ka nanahirana ny mpanao gazety nanao ny asany. Tsilian-tsofina no nahafantarana fa mbola ho lava ny lalan’ity taratasin’ny Solombavambahoaka ity satria mbola ho eny amin’ny Fitsarana an-tampony hikarohana porofo. Samy hafa mantsy ny fampiatoana ny Filoham-pirenena amin’ny asany sy ny famerezan-jo azy. Saika hita teny Ambohidahy, foiben’ny HCC avokoa ireo Solombavambahoaka nanao sonia iny fiampangana ny filoham-pirenena iny.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT