Politique

HCC Ambohidahy Miankina aminy ny aim-pirenena


  • Zoma 28 Desambra 2018

Hitana ny teny nomeny ve sa tsia ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Jean Eric Rakotoarisoa, izay nanambara fa tsy maintsy hiadiana ny hosoka sy ny hala-bato ?

 

Fanontaniana mipetraka manoloana ny trangana hosoka sy halatra marobe nandritry ny fotoam-pifidianana ahitana ankolafin-kery porofo isan’andro io. Raha tsiahivina, ny 19 desambra teo no nanomboka nandray ny fitoriana rehetra mikasika ny fifidianana ny HCC. Mikasika ireo fizarana vola na fisiana kara-panondro sy kara-pifidianana sandoka dia entina any amin’ny fitsarana avy hatrany izany, hoy hatrany ny fanazavan’ny filohan’ity rafitra ity fa tsy mandalo any amin’ny CENI na HCC intsony. Ny HCC hatrany no mandinika ny fitombenana na tsia ireo porofona tsy fahatomombanana sy hosoka ary mamoaka ny didy sy fanapahan-kevitra farany mikasika azy ireny. Farafahatarany ny 25 janoary 2019 izao isika no hanana filoham-pirenena vaovao, hoy ny filohan’ny HCC, ka dia iankinan’ny aim-pirenena tanteraka ny didy tsy azo ivalozana havoakan’ity rafitra ity. Hiala amin’ny ziogan’ny mpanjanantany amin’ity taona ity, araka izay efa nambaran’ny filohan’ny HCC, tokoa ve isika sa sanatria ity filohan’ny HCC ity sy ireo mpiara-miasa aminy indray no vao mainka handentika ny firenena ao anatin’ny zioga nolazainy ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT