Politique

«Haute Cour de Justice» Houssen Abdallah sy Jean Bosco no solotenan’ny Antenimieram-pirenena


  • Alarobia 21 Janoary 2015

Notanterahina omaly teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fifidianana an’ireo izay hisolotena ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny Fitsarana Avo na «Haute Cour de Justice».

 

Lany avy hatrany tamin’ny fihodinana voalohany eo amin’izay ho solontena maharitra tamin’ireo kandidà 7 nifaninana ny depiote Houssen Abdallah avy any Mitsinjo. Niatrika ny dingana faharoa kosa ny depiote isany Randrianasolo Nicolas avy any Betroka sy Rivotiana Richard Jean Bosco avy any Lalangina. Tafavoaka ho mpandresy tamin’izany ity farany. Teo amin’ireo ho mpisolo toerana roa kosa dia lany avy hatrany teo amin’ny fihodinana voalohany ny depiote Razafindrafito Lova dit Paupile HVM. Niady ny toerana faharoa kosa ary niatrika ny fihodinana faharoa ny depiote Vololona voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 Antananarivo Renivohitra sy ny depiote Sidonie avy any Mananara Avaratra izay lany ho mpisolo toerana faharoa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT