Izay be resaka sy sahisahy miseho vahoaka ankehitriny dia alaim-panahy hilatsaka ho filoham-pirenena avokoa ary sahy manambara fa ho kandida.
Dia lasa ny saina, fa naninona loatra re ity firenentsika ity no latsaka ambany be ilay hasin’ny filohan’ny repoblika Malagasy ? Tato anatin’ny herinandro izao dia nirongatra ireo kandida nentim-pahatairana tampoka avy any angamba ka hilatsaka aho fa nangatahana, hono, na koa niharana fanangonan-tsonia. Miankanakana be anefa ny sasany rehefa anontaniana azy izay mba vinany. Tsy ferana koa fa mersenera politika ny ankamaroany ary tsy manana eritreritra loatra ankoatry ny hitady vola na hitakizotra toerana any anaty rafi-panjakana amin’izay ho lany eo. Raha manana 50 tapitrisa ariary holaniana amin’izany, maninona no tsy anatontosana fotodrafitrasa hampandroso ny fiarahamonina misy ny tena ilay vola na nanavotana mpiray tanindrazana amin’ny tena hita ho fadiranovana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.