Ny atao hoe tsy azo hivalozana dia midika hoe tsy maintsy eken’ny rehetra, hoy ny mpanao politika, Hary Razafindrazaka.
Mila tafavoakantsika anefa izay marina izay ahafahana manatsara ny ho avy. Inona daholo no fangalaram-bato nisy sy ny tokony hatao izay tsy hisian’izany intsony, hoy hatrany ity mpanao politika ity. Matiantoka isika nitady ny fahamarinana raha tsy hanao izay. Voalohany tamin’ny tantara no nisy ezaka naneho ampahibemaso tamin’ny haino aman-jery hoe izao no fomba fangalaram-bato. Tsy mino aho, noho izany, hoy izy, hoe hilamina eto raha mbola toy ireny ny manaraka. Mikasika ny lanonana eny Mahamasina ny sabotsy izao moa dia mitsodrano ny filoham-pirenena nolanian’ny HCC aho, hoy ny tenany. Enga anie izy mba ho filoha hahay hamondrona antsika tokoa. Tokony hisy ny mpanohitra ary tokony hitsangana sy hanana tolo-kevitra ho an’ny mpitondra fa tsy hanohitra be fahatany. Tsy mandeha amin’izay laoniny ny fiainam-pirenena rehefa tsy misy mpanohitra. Sakaizan’ny mpandresy foana no tena betsaka teto, hoy izy, ka mila amboarina
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.