Politique

Hary Razafindrazaka “Ataovy lany amin’ny fahamarinana ny filoham-pirenena vaovao !”


  • Alakamisy 27 Desambra 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filoha lefitry ny antoko Leader Fanilo, Elatra Jean Max Rakotomamonjy, misahana ny faritanin’Antananarivo, Hary Razafindrazaka.

 

 

Mila ampatsiahivina, hoy ny tenany, fa hatry ny ela no nanjaka teto Madagasikara ny hala-bato. Amin’izao dia mbola mampiahiahy io na eo anivon’ny CENI na HCC na ny fitondram-panjakana satria ireo no tena tompon’andraikitra. Tadidintsika ny tenin’ny kandida Andry Rajoelina tamin’ny fihodinana voalohany hoe tena najanon-dry zareo teo amin’ny 39% mihitsy aho. Niaiky izy. Ny kandida Marc Ravalomanana koa nametraka fitarainana tamin’ny HCC. Izany hoe ny rehetra dia nahita tsy fahatomombanana avokoa. Aleo mba hapetraka amin’izay ny mangarahara. Nifidy ny kandida Marc Ravalomanana aho fa raha lany amin’ny fahamarinana ny kandida Andry Rajoelina dia ekeko. Izay no demokrasia. Raha hiverenana ny kabarin’ny kandida laharana faha 25, dia nisy olana ny fikarakarana ny fifidianana. Na talohan’ny fifidianana aza dia efa nangataka ny firaisankinan’ireo kandida hoe ahemory aloha io fifidianana io. Na ny filohanay, Jean Max Rakotomamonjy, aza niteny hoe foano iny fihodinana voalohany iny. Ankehitriny, hatrehina ny zava-misy, hoy ny tenany, ka tokony ho fampitahana ankapobeny na “confrontation generale” mihitsy no atao. Na tonga any amin’ny karazana famerenana fanisam-bato aza tsy maninona raha izay no ahitana ny marina. Aoka isika tsy hampiaina hala-bato ny Malagasy intsony fa tsy mendrika izany izy ireo. Io foana no nahatonga krizy teto. Ny zava-dehibe dia ataovy lany amin’ny fahamarinana izay lany eo mba hoeken’ny rehetra, hoy hatrany i Hary Razafindrazaka.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT