Politique

Harinkarena 2014 : 7% sa 3% no tena marina ?


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Miteraka adihevitra goavana eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny ny tsy fitovian’ny tarehimarika momba ny vinavina harinkarena 2014

 Nanambara mantsy ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta tamin’ny fanolorany ny politika ankapoben’ny fanjakana na PGE teny anivon’ny Antenimieram-pirenena volana vitsivitsy lasa izay fa manodidina ny 7% izany. Hita kosa anefa ao anatin’ilay tetibom-panjakana nahitsy nolanian’ny filankevitry ny minisitra ary dinihan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara eny Tsimbazaza mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana amin’izao fotoana izao fa 3% mahery io fitombon’ny harinkarena Malagasy io amin’ity taona ity. Ho an’ny mpanara-baovao aloha dia misimisy ihany ilay elanelana satria mahatratra 4% be izao, izay tsy mitombina velively ary tsy fahita manerantany mihitsy, raha ny filazan’ny manampahaizana ara-toekarena azy. Andrasan’ny mpiara-belona tokoa moa ny fanazavana avy amin’ny fanjakana ny amin’ny anton’io fidinan’ny salan’isa io tao anatin’ny fe-potoana fohy. Ny tsara ho fantatra ihany koa anefa dia voalazan’ny teny ifanomezana faha-6 ao amin’ny Madagasikara Am-Perinasa taona 2007-2012 novolavolain’ny fitondrana Ravalomanana fa 7 hatramin’ny 10% ny vinan’ny tahan’ny harinkarena faoben’ny firenena Malagasy ny taona 2012 saingy indrisy. Na izany aza ny tantara tsy mba fanadino.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT