Politique

Harilalaina Irma Juliandres Nihazakazaka nandray ny fitantanana an’i Fianarantsoa


  • Alakamisy 15 Oktobra 2015

Nandray ny asa maha Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa azy i Harilalaina Irma Juliandres. Notanterahina omaly alarobia 14 oktobra 2015 tao amin’ny Lapan’ny tanàna Tsianolondroa ny famindram-pahefana mahakasika izany.

Niroso nandray asa ity olon’ny HVM ity, tsy niandry ny didim-pitsarana navoakan’ny Filankevi-panjakana mikasika ny fitorian’ny MAPAR mitsipaka ny voka-pifidianana kaominaly tamin’ny 31 jolay 2015, navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Fianarantsoa  tamin’ny 18 septambra 2015.

Ety dia ety 78 ny elanelam-bato nanasaraka an’i Harilalaina Irma Juliandres (HVM) sy Razanamahasoa Christine (MAPAR) tamin’ny voka-pifidianana nivoaka tamin’io. Nisy biraom-pifidianana telo rahateo nampifanolana tamin’io.

Tsindry atao amin’ny Filankevi-panjakana ve ny nirosoan’ny HVM amin’ny famindram-pahefana ka nandraisan’i Harilalaina Irma Juliandres fahefana ? Etsy an-kilany, ity farany dia fantatra fa nandray anjara tamin’ny fifaninanana handraisana mpiasam-panjakana ambony “Inspecteur d’Etat” notanterahina tamin’ny septambra, roa volana taorian’ny fifidianana Ben’ny tanàna. Ny lojikan’izay dia hanao “Inspecteur d’Etat” izy raha voaray eo, fa tsy hijanona Ben’ny tanàna, andraikitra tsy azo ampivadiana ireo. Ka inona àry no nihazakazahana nanaovana famindram-pahefana ? Tsy famitaham-bahoaka ve izany ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT