Bedibedy kely fotsiny aho tamin’ilay fanelezana “Carte de visite” misy ny soratra hoe “Harilala Ramanantsoa candidate ŕ la mairie d’Antananarivo”, hoy ity andriambavilanitra mpitantana ny Madavision ity raha nanontaniana mikasika ny
zava-niseho teny amin’ny Braderie teny Mahamasina ny herinandro lasa teo izy. Nahazo fampiantsoana tamin’ny Cenit moa ny tenany taorian’ny fahitany ny trangan-javatra. Raha ny tazana teny an-toerana dia hita ho nanova paikady ity andriambavilanitra ity tamin’ny fifaneraserana tamin’ireo olona niantsena teny Mahamasina ka nesoriny avokoa rehefa mety fampahafantarana miendrikendrika fampielezan-kevitra fa “flyers” na tapakila kely nilaza ny mombamomba ny tenany sy ny niandohany tamin’ny asa fandraharahana ataony no nozaraina tamin’ny mpiantsena nitsidika rehetra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.