Politique

Hanitra Razafimanantsoa “Aoka tsy hifamotehana ny hevitra tsy mitovy”


  • Zoma 11 Janoary 2019

Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, taorian’ny didy navoakan’ny HCC momba ny fifidianana filoham-pirenena.

 

 

 

 Nampahatsiahy ireo lalana nolalovana nanomboka ny taona 2009 izy. Nanao izay tokony ho natao isika ary niezaka foana ho an'ny fitiavana ny Firenena, indrindra mba hamerina indray ny filoha Ravalomanana ho eo amin'ny toerana nalaina taminy an-keriny. Tolona sy ady maro no natao sy natrehina. Ady ho famerenana ny " ordre constitutionnel" nivezivezena tany Afrika tany: Maputo, Addis Abeba, Swaziland, Afrika Atsimo, Namibie. Tsy nihemotra isika fa nijoro hatrany. Nisy vokatra nahafa-po fa nisy koa ny fahadisoam-panantenana. Nisy ny tolona ho an'ny fanovana, nahafahana nanova ny lalàm-pifidianana nanakana ny filoha Ravalomanana tsy hirotsaka. Nanao ny ainy tsy ho zavatra isika nampandany azy. Nitohy tamin’ny tolona ho an'ny fahamarinana izany. Samy mahalala isika fa fahamarinan'ny HCC no navoakany. Feno 10 taona izao ny tolona rehetra. Mikatona iny pejy iny, hoy izy. Nisaotra ny Filoha Ravalomanana nijoro sy nanome ohatra tsara hoantsika. Mankasitraka azy manokana aho tamin'ny fahatokisana napetrany tamiko tamin'ireo asa nampiandraiketiny ahy. Misaotra koa ny namana rehetra tsy ankanavaka, indrindra ianareo niara-nitolona. Mahatsiaro ireo namoy ny ainy sy nodimandry. Misaotra ny Fiangonana sy ny mpino rehetra nitondra am-bavaka sy nankahery hatrany. Namoaka didy ny HCC. Tsy azo ivalozana izay. Nanaiky izany didy izany ny Filoha Ravalomanana. Mandala ny tany tan-dalàna sy ny demokrasia isika. Manaiky ny didy na tsy afa-po aza. Saro-tadiavina ny marina kanefa ny marina dia marina foana. Ny fahamarinana no manandratra ny Firenena. Miarahaba ny Filoha vaovao sy mirary azy hahatontosa ny adidy sy andraikiny. Manantena ny fanantanterahana ireo velirano nataony isika vahoaka. Firenena iombonana ity ka samy hitondra ny anjara birikiny avokoa hampandrosoana azy. Ny hevitra politika tsy mitovy, aoka tsy entina hifamotehana, hanagadrana na hanaovana antsojay. Miankina amin'izany ny fitoniana tadiavintsika. Izaho kosa mbola hijoro hatrany raha ilaina ho an ny Firenena sy ny fahamarinana, hoy izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT