Voaresaka teny amin’ny fihaonan’ny tanora Tiako i Madagasikara Antananarivo teny Ambohimalaza ny sabotsy lasa teo izay natrehan’Atoa Marc Ravalomanana sy ramatoa vadiny ny momba ireo fanotofana tany eto Antananarivo sy ny fitarazohan’ny famindram-pahefana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Sahy mandray andraikitra
Mialoha io, ny zoma lasa teo dia nijery teny amin’ny Marais Masay ary nahita maso ny fanotofana ny tany ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ary niresaka tamin’ny olona teny izy. Re teny fa tsy maintsy handray fepetra ny kaominina. Efa tonga namantatra sy nijery ny zava-misy eo anivon’ny kaominina ihany koa ny alakamisy ary tafaresaka tamin’ny PDS sy ireo mpiasa tao amin’ny lapan’ny tanàna Ramatoa ben’ny tanàna. Fantatra ihany koa fa nihazakazahana ny fampidirina mpiasa tao amin’ny kaominina tato ho ato izay, 150 tao anatin’ny 4 volana ary ny tena nahagaga dia mbola nisy mpiasa nampidirina haingana tamin’ny 21 septambra lasa teo. Rtoa Lalao Ravalomanana dia efa namerimberina fa tsy maintsy mila fanajana ny fitsipika sy ny lalàna ny fampandosoana ny tanàna ankoatry ny asa be tsy maintsy atrehana ;hentitra dia hentitra amin’ny fomba fitantanana raha i Neny ary vavolombelon’izany ireo rehetra niara-niasa taminy tao amin’ny Tiko.Azo antoka fa ho henjana ny ady amin’ny gaboraraka sy ny aferafera ao amin’ny kaominina rehefa mandray ny asany i Lalao Ravalomanana, izy izay efa nanambara fa sahy matoa niditra ho kandida ben’ny tanàna, ary tena fantany tsara ny zava-misy eto.
Tora-kovitra
Re fa maro ireo mpanao aferafera na mpiasan’ny kaominina io na ireo olona ety ivelany efa toran-kovitra amin’izao fiovan’ny mpitantana izao,nanjakan’ny gaboraraka tokoa mantsy tao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatramin’ny tetezamita ka samy nanao izay naha botrabotra azy ny rehetra.Mivadika tanteraka ny pejy ankehitriny, ny tsy fantatra fotsiny dia ny hoe :ahoana no mety ho fihetsiky ny fitondrana foibe raha hanadio io fomba fiasa mambotry ny tanàna io i Lalao Ravalomanana ? Tsy takon’afenina mantsy fa misy tsara resaka amin’ny mpitondra ambony ireo mpandraharaha vahiny sy malagasy nahazo tombontsoa noho ny gaboraraka sy ny tsolotra teo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra tao anatin’izay 5 taona izay.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.