Tany amin’iny ilany Atsimo Atsinanan’ny Nosy sy Vatovavy Fitovinany sy Menabe toa an’i Vohipeno, Farafangana, Manakara, Morondava no nanatanterahan’i Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra omaly.
Noraisina tamin-kafaliana sady notsofin’ireo olobe rano tao Vohipeno izy, ary nanao fanamby hampandany azy ny vahoaka marobe tamin’ireo toerana notsidihiny. Tonga dia hiasa mafy vao lany filoha eo, ka hisy vokatra mazava ao anatin'ny 100 andro :ny fanatsarana haingana ny tontolon'ny fampianarana, fananganana haingana ny fotodrafitrasa vaovao sady manara-penitra, hamerina ny fandriampahalemana haingana, hiaro ny tontolo iainana satria saro-pady loatra ho an'ny taranaka ho avy, hampitombo ny fidiram-bolan’ny Malagasy indrindra ny madinika, hamerina haingana ny rafitra fitsaboana ho an'ny daholobe, hametraka ny fitsinjarana sy ny fanapariaham-pahefana marina. Mipetrapetraka ny paikadim-panarenana sy fampandrosoana hoentin’i Marc Ravalomanana satria mifameno sy mifamelona ny « Fifanarahana mikasika ny Fampihavanana, ny fampivoarana, ny fampandrosoana ary ny Fitantanana » sy ny « Madagascar Action Plan 2 ». Mpanangana fa tsy mpandrava i Marc Ravalomanana, ka raha vao tonga eo amin’ny fitantanana ny tany sy ny Fanjakana izy dia ho isan’ireo laharampahamehana ny momba ny fitsinjaram-pahefana, mba hanomezana sata sy andraikitra manokana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, hatrany amin’ny Fokontany; hahaleotena sy handray andraikitra ka ho isan’ny lohalaharana ny fandriampahalemana eo amin’ny fiarovana ny olona sy ny fanany. Hampiarahana amin’izany ny fampitaovana ny mpitandro filaminana: tafika, zandarimaria, polisy, ary ho apetraka ny fomba fiasa mangarahara ho azy ireo. Hametraka fahalemana eo amin’ny fananan-tany, ny fitsarana, ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo, ny fampiasam-bola, na koa ny fiarovana ny harena voajanahary,.... Voafaritry ny MAP 2 ireo asa maika, fohy ezaka; isan’izany ny famongorana ny fakana olona an-keriny, nirongatra nanomboka tamin’ny fanonganam-panjakana 2009. Ny Fampiatoana ny fanondranana omby mandritra ny 3 taona, mba hanavaozana ny sehatra fiompiana sy fivarotana omby. Fametrahana lamina hitandroana ny fahalemana manerana ny Nosy, hisorohana sy hamongorana ny asan-jiolahy, ary tafiditra amin’izany koa ny ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary,... Hisy ny ezaka isaky ny distrika hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, indrindra fa ho an’ireo ankizy avy amin’ny sokajin’olona marefo, arahina fepetra aro aina ho azy ireo. Hohatsaraina ny fomba sy ny fitaovana entina mikajy ny karazan-taratasy eny anivon’ny Faritra sy ny kaominina. Tsy hatao ambanin-javatra ny momba ny tontolon’ny fampiasam-bola sy seham-pihariana. Ho sorohina, ohatra, ny mety ho fibahanana na fampiasam-pahefana ataon’ny mpanao politika voakasiky izany, ka ho terena izy ireo hisintaka amin’ny fitantanana ny orinasany.
.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.