Nahoraka tamin’ny haino aman-jery teto an-drenivohitra sy ny tany amin’ny faritra maro eto Madagasikara ary niely tamin’ny tambajotran-tserasera samihafa amin’ny internet fa hakatona avokoa ny masoivohon’ny VIVA, haino aman-jerin’ny filohan’ny tetezamita teo aloha any amin’ny faritra.
Taratasy fampitandremana niarahan’ny minisitry ny serasera sy ny filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana Andrianjato Razafindambo Vonison sy ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknôlôjia vaovao Neypatraiky Rakotomamonjy tamin’ny 3 jona 2015 ary navantana tany amin’ireo masoivohon’ny VIVA any amin’ny faritra no niandohany. Mandidy ny hanesorana tsy misy hatak’andro ireo fitaovana fanapariahana sary sy feon’ny VIVA ankoatra ny eto Antananarivo ny taratasy, mialoha ny handraisan’ny fanjakana fepetra. Antsojay sy fanohintohinana ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety avy hatrany no nandraisan’ny maro izany. Vao mainka nanampy trotraka izany ny fihaodihaodin’ny Emmo-Reg teny amin’ny manodidina ny foiben’ny VIVA Ambodivona halina. Taorian’io dia tsipika fotsy manao savazoro no hita teo amin’ny fahitalavitra VIVA, ary moana tsy namoaka feo. Nanao ranolava ny fanakianana, hoe misy mandrehitra afo. Mbola hiverina amin’izany fanakatonana izany indray ve fa tsy mba naka lesona ny fiantraikan’ny tamin’ny desambra 2008 ? Nilatsaka ao anatin’ny vanim-potoana mampisafotofoto ny raharaha politika eto amin’ny firenena rahateo koa ny fepetra. Eo am-piandrasana ny didy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mikasika ny fitorian’ny solombavambahoaka hanala amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika mantsy no mivoaka ny taratasy. Toa fambara mialoha fa holavin’ny HCC ny fitorian’ny solombavambahoaka ary dia tsy haharaka afa-tsy izay vaovao hotaterin’ny haino amanjerim-panjakana ny any amin’ny Faritra, satria ho tapaka ny fahitana sy fandrenesana ny VIVA. Ankoatra izay, raha ny tetiandro dia hanomboka hitsimbadika any amin’ny televiziona nomerika TNT i Madagasikara amin’ny 17 jona 2015 izao. Mety manelingelina ny tsenan’ny sasany amin’io resaka io ve ny fisian’ny VIVA, noho izy azon’ny mpanjifa any amin’ny faritra raisina maimaimpoana. Fa ny manaitra ny maro koa dia ny hoe maninona no ny VIVA irery no nandraisana fepetra nefa misy koa haino aman-jery tsy miankina hafa manaparitaka feo sy sary amin’ny faritra maro manerana ny Nosy raha tsy hoe : antony politika. Dia aiza moa izany ny zon’ny olom-pirenena hahalala vaovao eo anatrehan’izany ? Talohan’ny an’ny VIVA mantsy dia iharan’ny antsojain’ny fanjakana koa ny haino aman-jery MBS, fananan’ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana. Samy lasibatry ny fanelingelenana onjam-peo (brouillage) na ny radio na ny fahitalavitra tato ho ato.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.