Politique

Hamboarina ny seranam-piaramanidin’Antsirabe Voaporofo indray fa nahavita azy i Dada


  • Alakamisy 19 Febroary 2015

Seranam-piaramanidin’Antsirabe ! Ny fiverenan’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana tamin’ny 12 oktobra 2014 avy hatrany no mitamberina ao an-tsaina vao io no resaka

. Tao ny fiaramanidina nitondra an’ity filoham-pirenena teo aloha ity no nipetraka tamin’ny fiverenany an-tanindrazana indray, rehefa sesitany nandritra ny dimy taona tany Afrika Atsimo taorian’ny raharaha 2009, ary izay koa no vaovao farany re mikasika ity fotodrafitrasa ity. Ankehitriny dia raikitra fa hasiam-panamboarana io seranam-piaramanidin’Antsirabe io. Vita sonia omaly teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fifanarahana mikasika izany. An-daniny, ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary famantarana ny toetr’andro, Andriatiana Jacques Ulrich notronin’ny Tale jeneralin’ny Aviation Civile de Madagascar, Andrianalisoa James an-kilany ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina ao Antsirabe notarihin’ny filoha tale jeneralin’ny COTONA, Salim Ismail, nahitana ny Tale jeneraly lefitry ny banky BOA, Rakotondralambo Vololomanitra, ny Tale jeneraly lefitry ny banky BMOI Hervé Flipo, ny Tale jeneralin’ny Holcim Pascal Naud, filoha lefitry ny STAR Madagascar Emmanuel de Tailly, ny Tale jeneralin’ny Tobacco ary Afrika sy Ranomasina Indianina Jean Claude Starczan, ny filoha tale jeneralin’ny Groupe BASAN Anil Barday, ny tale jeneralin’ny Lecofruit Karim Barday ary ny tale jeneralin’ny Socolait Philipe Penouty. 356 tapitrisa Ariary ny tentim-bidin’ny asa fanamboarana izay nankinina amin’ny orinasa ETRAD. Heverina ny hanokafana ny zotra Antananarivo-Antsirabe-Fianarantsoa hataon’ny Air Madagascar manomboka amin’ny volana mey 2015 aorian’ny fahavitany.

Pi-maso amin’ny mpifidin’i Vakinankaratra

Asa kely sisa hatao, raha misy, satria efa vitan’ny fitondrana Ravalomanana avokoa ny ankamaroan’ny asa rehetra. Ankoatra an’i Ivato dia nasiam-panitarana ihany koa ity seranam-piaramanidin’Antsirabe ity tamin’ny 2008, nomanina handraisana ireo fiaramanidina mitondra ireo filoham-pirenena sy solontenam-panjakana handray anjara tamin’ny fihaonamben’ny Vondrona Afrikanina tokony ho nampiantranoan’i Madagasikara tamin’ny 2009 sy ny fihaonamben’ny Frankôfônia tamin’ny 2010 raha tsy nisy fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina. Pitsopitsony toy ny fanadiovana sisa asa mety hatao satria efa azo ampiasaina ity seranana ity, porofon’izany ny nahafahan’ny fiaramanidina nitondra an’i Marc Ravalomanana nipetraka tao tamin’ny 12 oktobra 2014. Izao fikitihana indray ity fotodrafitrasa ity anefa dia manaporofo indray fa nahavita azy i Marc Ravalomanana, fa vavan’ny tsy tia fotsiny ny hoe : «Ny lalana ve azo hanina !» raha tsy hoe pi-maso atao amin’ny mpifidin’i Vakinankaratra fotsiny indray ity. Io ilay efa notaterina teto hoe Ravalomanana nanamboatra, Rajoelina namotika, Rajaonarimampianina maka tahaka. Ankehitriny, dia mahatsiaro an’i Marc Ravalomanana avokoa ny Malagasy, hoe raha izy izao no teo amin’ny fitondrana, tsy ho toy izao mitranga izao ny lalana eto an-drenivohitra sy ny amin’ireo lalam-pirenena samihafa.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT