Tsy honohono fa tena misy ny bileta tokana efa vita marika eo amina kandida iray, dia ny kandida laharana faha-13 Andry Rajoelina.
Tsy ireo bileta tokana natao ho an’ny fanentanana sy fampianarana ity hita ity fa tena bileta tokana mitovy amin’ilay hampiasaina amin’ny andron’ny fifidianana mihitsy. Zava-misy io, ary efa nitranga tamin’ny fotoana nanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny fanovana ny lalàmpanorenana ny taona 2010, tahaka ny tany Moramanga. Miverina indray ve ilay fomba fanaovana hala-bato mody saronana amin’ny hoe fanaovana fanentanana sy fampahafantarana ny olona ? Zava-misy no ambara ary inoana fa hanadihady sy handray fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy ny mpikarakara sy mpikirakira ny fifidianana eto Madagasikara dia ny CENI. Eo ihany koa ny fitondram-panjakana izay efa nilaza fa ho hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny fandavorariana ny fiatrehana fifidianana demokratika eto. Maro ny feo efa re amina faritra misimisy ihany eto Madagasikara momba io bileta tokana efa voamarika io. Tsy tongatonga ho azy na fifanandrifian-javatra izany fa misy tokony hodinihana ihany satria efa tena miendrika hala-bato sahady.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.