Miseho hatrany ireo endri-javatra manaporofo fa misy ny tetika maloto kendren’ny kandida laharana faha-13 hangalaram-bato sy hanatsimbadihana voka-pifidianana, araka ny fijoroana vavolombelona nataona olona maro omaly.
Nokaramaina hampiasa kara-pifidianana nalaina avy eny amin’ny fokontany izy ireo, araka ny nambaran’ireto olona ireto izay somary matahotra ihany noho ny fahatahorana ny mety ho fifofoana ny ainy, ary marihina fa misy sefom-pokontany mihitsy ireo nijoro vavolombelona. Alaina any amin’ny fokontany na misy manatitra ao an-trano ny kara-pifidianana maro, ka izy ireo no hasaina mampiasa izany sy mifidy ary ny olona iray dia mahavita in-dimy eo ho eo, raha ny fanazavana. Efa natao tamin’ny fihodinana voalohany izany satria efa misy sonia avokoa ireo kara-pifidianana efa ho an’arivony naseho, izay ampahany ihany fa tena saika manerana ny nosy ny nisian’ity teti-dratsy ity, ary mbola katsahina hatao amin’izao fihodinana faharoa izao, hoy hatrany ny vaky bantsilana. Nazava ny teny sy fanazavan’ireo olona nijoro vavolombelona fa ny kandida faha-13 no mikotrika izany, ary 30 000Ariary eo ny karaman’ireto olona ireto nanao ny asa ratsy. Tena efa misy fifanarahana mipetrapetraka amin’ireo mpikamban’ny birao fandatsaham-bato ity fomba ratsy ity, ary afaka mifidy na tsy misy kara-panondro aza izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana. Tonga saina anefa izy ireo ary nilaza mazava fa tsy mety intsony izany, fa aleo ny tena safidim-bahoaka no handeha, ka naneho mihitsy fa vonona hifanome tanana hanara-maso sy hiaro ny mety mbola fikatsahana hanao izay asa ratsy izay. Marihina hatrany fa ampahany ihany ireo kara-pifidianana ireo, fa mahatratra 400 000 izany ary 10 000 no efa voahangona raha ny fanamafisan’i Faniry Ernaivo anisan’ireo kandida tamin’ny fihodinana voalohany, izay efa nanao ireo fanairana samihafa niaraka tamin’ny Vondron’ny kandida ka izao mipoitra tsikelikely izao ny porofo, hoy izy izay efa nisafidy ny hanohana ny kandida Marc Ravalomanana ary ao anatin’ilay antsoina hoe K025. Notsindriany ny fisian’ny kara-pifidianana mihoatra noho izay natonta. Raha toa ka tokony ho 9 tapitrisa mahery izany dia natao 12 tapitrisa, mihoatra be tsy araka ny tokony, ary mila fanadihadiana ny antony mahatonga izany, hoy ny fanazavan’i Fanirisoa Ernaivo. Nangonina moa ireto kara-pifidianana tratra ireto mba hatao porofo ny fitoriana hatao aorian'ny fifidianana, ary hatao porofo eny amin’ny Bianco ihany koa. Efa namaky bantsilana ny fahitany fa mitanila ny minisitry ny atitany avy amin’ny MAPAR. Tombanana avy hatrany ho misy fifandraisany amin’izany izao toe-javatra izao. Melohin'ny lalàna higadra 2 hatramin'ny 5 taona ireo izay tratra manao hosoka amin'ny fampiasana ny zo handatsa-bato, isan'izany ny fampiasana ireo kara-pifidianana tsy misy mampiasa eny amin'ny fokontany, ka asa na ho vitavita ho azy izao na hisy ny fampiharan-dalàna. Mila mailo sy mandray andraikitra ny rehetra mba hisorohana ny hosoka goavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.